Andriamamilaza dia olona nalaza taorian'ny fotoana nanjakan'Andriamasinavalona. Ny faritra nisy azy dia tany Analamainty, faritra anakazondandy-Mangamila-Anjozorobe, ary nalevina ao Anjohy. I Andriamamilaza dia lehilahy mpimasy, nanana fahendrena sy hakingan-tsaina ary nahay sy nahafehy ny zava-boahary manodidina azy sy ny fiaraha-monina. Izy no nitsapa sy naka fanahy ireo zanak'Andriana tao amin'ny faritr'Imerina efatoko, tamin'ny alalan'ny famangiana isam-paritra ka nitondrany ireto zavatra ireo ho fitsapana : Hazo tsotsoraka, tantely velon-dreny, ary volontsangana-tsy vaky...
♦ Hitory noho ilay raharaha fitifirana mpiasan'ny La Gastronomie Pizza teny Namontana ity orinasa sy ny fianakavian'ny niharam-boina. Fihoaram-pefy no nataon'ny pôlisy hoy ny mpisolovava azy ireo, omaly... ♦ Nomarihana omaly ny andro maneran-tany ho an'ny mpanabe. Efa hita taratra ny ezaka ataon'ny fitondrana fanavaozana amin'ny fitsinjovana ny fanabeazana hoy ny masoivoho Malagasy eo anivon'ny UNESCO... ♦ Manaitra ny Minisiteran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena amin'ny fandoavana ny vola fanampiana ny Federasiôna ny eo anivon'ny Malagasy Rugby. Namoaka ny alahelony ny filohan'ny federasiôna, omaly...
• Nametraka fitoriana androany ny fianakavian'ireo lasibatra sy ny orinasa niasan'ireo mpiasa voalaza fa voatifitry ny polisy teny Namontana... • Lohalaharana amin'ny olan'ny fanabeazana maneran-tany ny tsy fahampian'ny mpampianatra, hoy ny Masoivoho Malagasy eo anivon'ny UNESCO, Christine Razanamahasoa... • Tompondaka lefitra, tamin'ny fifaninanana natao tatsy Maurice, ny Maki Lehilahy...
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
♦ Afaka miditra malalaka any Botswana tsy mila VISA manomboka izao ny teratany Malagasy, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ity firenena ity sy Madagasikara... ♦ Nihatra nanomboka androany ny fiovana amin'ny vidin-tsolika eto Madagasikara, nijanona tamin'ny vidiny teo aloha ny lasantsy sy ny gazoala raha nahitana fiakarany 200 Ariary isaky ny litatra ny solika fandrehitra... ♦ Nidina nanao fanadihadiana teny Namontana, toerana nisian'ny fitifirana ireo mpiasan'ny gastro pizza ny avy amin'ny police-judiciaire, nijery raha nisy ny fihoaram-pefy nataon'ny mpitandron'ny filaminana...
♦ Notanterahina omaly teo amin'ny kianjan'ny Kianjan'ny Lycée technique Marie Auxiliatrice, Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice (FMA) teto Madagasikara... ♦ Hanamafisana ny ady amin'ny kolikoly, ny dahalo ambony latabatra, ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, ny vahaolana amin'ny famatsiana jiro sy rano ary ny vidin-tsolika hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana... ♦ Miverina indray ny olan'ny famoahana permis biométrique, mangataka amin'ny fitondrana mba hamerenana amin'ny hendriny baoritra mavokely ny sendikan'ny auto-école...
Ny faha-10 oktobra no fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fahasalaman'ny saina. Ny fahasalaman'ny saina dia singa fototra ary andry mamaritra ny atao hoe fahasalamana. Ny olona salama saina dia ireo afaka amatrahana andraikitra ary afaka mampiasa ny talentany, ny fahaiza-manaony, ary rehefa afaka mihatrika ny olany andavanandro, eo ihany koa ireo ny fahafahana miasa ka ahazoana vokatra, ary farany ny fahaizany mandray anjara amin'ny fiaraha-monina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Hery vaovao ho an'ny Malagasy ny ezaka kely izay vitan'ireo izay tsara sitrapo, miezaka miaina ny didin'Andriamanitra sy manatanteraka izany, voafehin'ny didim-pitiavana. Zava-dehibe ny fanajana ny ray aman-dreny anefa tsy dia hita taratra izany ankehitriny na mba ampahany amin'ny karama voalohany, santa-bokatra ; ny filibana aza no hataon'ireo tanora. Tsapa fa tsy misy mpihevitra firy ny tamberin'andraikitra andrasana amin'ireo izay nomena andraikitra amin'ny sehatra samihafa ; tsy misy intsony ny fifanajana, indrindra ny fanajana ny aina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Nomarihana ny 28 septambra teo ny andro eran-tany iadiana amin’ny haromontana. Mila manamafy ny fitandremana ny faritra maro eto amintsika fa ahitàna ny aretina haromontana mahazo ny biby mafàna rà toa ny alika sy ny saka any amin’izy ireo. Dia ny eto amin’ny faritra Analamanga, Vakinakaratra, Sofia, Itasy, Bongolava, Betsiboka, Atsinanana ary Androy...
Loharanon’aina sy fanantenana ho an’ny hafa sy ho an’ny tontolo iainantsika isika. Manasa antsika handinika ny fiovana manomboka ao am-po. Rehefa mahatsapa ny ratran’ny tontolo sy ny fijalian’ny hafa isika, dia antsoina hanova ny fomba fijery sy ny fomba fiainantsika, ka hamela ny “Rano velona” hikoriana amin’ny fifandraisantsika sy ny fihetsika ataontsika. Manana lanja eo amin'ny fiainana ny rano, izay indrindra no ilàna fiaraha-mientana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, amin'ny fomba fitantanana ny rano ara-drariny. Mifamatotra ny fitarainan’ny tany sy ny fitarainan’ny olona, indrindra ireo marefo, io no ilàna ny fiovana ao am-po...
♦ Nambaran'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Randrianirina Michaël fa noho ny fisian'ny hasoparana ataon'ny olombelona no mahatonga ny herinaratra tsy ho ampy eto Madagasikara. Manao ezaka tsy mitsahatra ny Fanjakàna sy ny JIRAMA... ♦ Nanolotra ny taratasy manendry azy ho masoivoho vaovaon'i Frantsa hiasa sy honina eto Madagasikara tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Andriamatoa Jean Marc Grosgurin... ♦ Anton'ny fahamaroan'ny fanjifàna sy teknika no mahatonga ny internet ho miisatra sy ratsy kalitao hoy ny Ministry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, efa nisy ny dingana tamin'ny fampidinana ny sarany...
Misy singa mampihavaka firenena iray, misy hita maso, ary misy koa ny ren'ny sofina. Ny fototra miisa telo maha firenena ny tany iray dia ny tany, ny teny ary ny tantarany ; famantara hita maso ny sainam-pirenena ary ny ren'ny sofina kosa dia ny hiram-pirenena. Ny fampiasana ny tenim-pirenena no isany hanehoana ny fiandrianam-pirenena amin'ny fotoan-dehibe toy ny fivoriana iraisam-pirenena maro samihafa sy fifanankalozana ara-diplômatika. Ny fahamarinana sy ny fandalàna izany no tena maha-olombanona sy maha olon'ny finoana, ary mampivoatra, ombana firaisan-kina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco