Nahazoana vokatra miabo ny tetik'asa SANBONAI, niompana tamin'ny fiantohana ara-tsakafo sy fanjariantakafo tao amin'ny Faritra Bongolava, Analamanga ary Itasy. Tetik'asa nandritra ny telo taona mahery, notanterahan'ny AFDI, Fikambanan'ny tantsaha Frantsay sy ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena, ny ANAE, Fikambanam-pirenena misehatra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny Réseau SOA, Tambazotran'ny Sendikan'ny Orina Ambanivohitra...

Ny fampitàna ny Soatoavina dia loharanon'ny Fanantenana amin'ny fanatsarana ny fiainana. Ny fampitàna ny soatoavina dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fananganana tontolo tsaratsara kokoa, satria mamela ny fitsipi-pitondran-tena hampitaina amin'ny taranaka mifandimby. Soatoavina : firaisan-kina, fifnajàna, fihavanana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Ny fanabeazana ao an-tokantrano dia mampianatra ny zanaka ho tompon'andraikitra ; tsy misy ny fiatsaram-piainana raha tsy misy ny fandraisan'andraikitra miainga amin'ny tenanao. Tsy mora ny fanovàna ny toe-tsaina fa ilàna finiavana, miainga amin'ny fampiasana ny hery anaty. Miainga amin'ny tsirairay ny fiovana. Ny fikarakarana vatana dia misy akony tsara ho an'ny saina, avy eo miitatra amin'ny fo sy fanahy, izay fototry ny fandraisan'andraikitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

25 taona nilofosana tamin'ny fampivoarana sy ny fampandrosoana ny teny ambanivohitra ny mpikambana ao amin'ny KOLOHARENA. Ny fikambanana KOLOHARENA izay fantatra tamin'ny fanapariahana ny famokarana miaro ny tontolo iainana. Nivohy sy nanaparitaka ilay vary atao hoe "DISTA" teto Madagasikara ihany koa.

Manoloana ny zava-misy ankehitriny vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetrandro dia miatrika fanamby maro ny firenena Malagasy. Anisan’ny vahaolana mahomby sy maharitra hiatrehana izany ny fambolen-kazo, izay sady manamaintso ny tontolo, no antoky ny fahasalamana, ary indrindra mitsinjo ny ho avin’ireo taranaka... Entanina ny rehetra mba hampahafantarana ireo singa sy rafitra rehetra tsara ho fantatra mba ho tena mamboly hazo tokoa fa tsy manatsatoka, Tsy vitan’ny olo-tokana na andian’olom-bitsy ny fiatrehana io olana io fa mila ny fiaraha-mientana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Tsy tokony tsinotsinoavina ny talenta satria arena nomen'Andriamanitra ; ny fanabeazana sy ny fampianarana no afahana mampisongadina azy ireny. Ny traik'efa dia miainga amin'ny fanabeazana ao an-tokantrano ary ireny no isan'ny risika manosika handray andraikitra. Mahatsara ny fifandraisana eo amin'ny zanaka sy ny ray aman-dreny ny fiarahana manao zavatra eo koa ny fifampiresahana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Manana ny anjara toerany amin’ny fihariana sy ny toekarena eny ambanivohitra ny fiompiana sy ny famokarana tantely. Manodidina 10.300 ny isan’ny mpiompy araka ny tarehimarika tamin’ny taona 2012, ary nisy zanatohatra tantely iray hetsy teo ho eo kosa nanerana an’i Madagasikara. Miovaova ny lanjan’ny vokatra nahondran’i Madagasikara.

Ny fampandrosoana mendrika sy mirindra dia endrim-papandrosoana tsy manilika ny hafa kanefa afahan'ny tsirairay mivelatra amin'ny lafiny maha olona feno. Ao anaty fiaraha-monina anjakan'ny fizarazarana sy ny fiolonolonana dia ilaina ny fahaizana mivelatra amin'ny hevitry ny hafa afahana mampirindra ny tsy fitoviam-pijery. Dingana voalohany hafahana makany amin'izay ny fanamafisana ny rafitra demôkratika mifototra amin'ny tany tan-dalàna ary ny tsara tantana afahany tsirairay maneho hevitra hampalalahana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Ny firaisan-kina no hery ary ny fifampiresahana dia miteraka filaminana, ireo no mitondra amin'ny fampandrosoana. Ny fanabeazana miainga ao an-tokantrano no mampianatra ny zanaka hahay andray andraikitra miainga amin'ny fanadiovana ny vatana. Ny fifampitokisana dia mitondra amin'ny fahamarinana, ho voahaja manaraka izay ireo soatoavina hafa... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny reny dia isan'ireo manana andraikitra lehibe ao an-tokantrano, noho izany mba mila manana fotoana hialana voly izy. Ny fialam-boly dia fiatohana afahana mamerina ny hery ho entina miasa na mihetsika indray. Ny fialam-bola ihany dia fialana amin'ny asa fanao andavanandro, ialana amin'ny harerahana, hanovozana hery vao. Ny fiatohana dia fotoana afahana mankafy izay natao. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Misitraka fiofanana hoan’ny mpampiofana mpampitombo amin’ny famokarana biolojika amin’ny alalan’ilay tetik’asa KCOA-KHEA ireo mpikamban’ny Filamatra Soa Iombona na ny FISOI sy ny SOAMITSINJO ato amin’ny faritra Analamanga. Fihofanana nandritra ny dimy andro natao tao amin’ny Foibe SAF FJKM na ny FOFIFAKRI Isoavina Ambanitsena distrikan’i Manjakandriana ny volana Mars 2024....

Misedra fanamby maro ny tanora amin'izao fotoana izao. Mba ho afaka hiatrika izany dia ilaina ny fahaizana miaina ao anaty tontolo manaja ny soatoavina mifototra amin'ny fanabeazana lalim-paka, miaina ny maha-kristianina. Manana anjara toerana lehibe ny fanabeazana fony fahazaza ao anatin'izany fa eo ihany koa ny fanabeazana eny an-tsekoly sy ny fiaraha-monina. Mba ho tanora hafa kely tsy hanara-drenirano fa handanjalanja ny zavatra atao... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...