Miantso fifanakalozan-kevitra misimisy kokoa momba ilay tolo-dalàna mifehy ny omby eto Madagasikara ny ho lafitry ny dokotera mpitsabo biby mialohan’ny handaniana azy ao amin’ny antenimieran-doholona. Tolo-dalàna atolotry ny loholona Lalatiana RAKOTONDRAZAFY izay efa nanaovany tafa hoan’ny mpanao gazety ny antony anaovana azy io. Nambaran’ny ho lafitry ny dokotera mpitsabo biby fa izy ireo no mpisehatra voalohany momba ny fitsaboana biby eto Madagasikara ary ny omby tafiditra anatin’izany kanefa tsy mahafantatra ny votoatin’io tolo-dalàna io...

Marina fa natsoina hatrany ny ho lafitra tamin’ny fihaonana in’enina nakàna hevitra momba azy io nanomboka ny faha 12n’ny volana mars lasa teo saingy tsy nandray anjara mivantana amin’ny tolo-kevitra fa natao namaly ny fanontaniana avy amin’ireo mpisehatra momba ny omby.

Nivory teny Ambatobe ny faran’ny herin’andro teo ny biraon’ny ho lafitry ny dokotera mpitsabo biby eto Madagasikara niaraka tamin’ireo dokotera vétérinaire avy amin’ny faritra samihafa ka nandritra izany no iantsoan’izy ireo fifanakalozana misimisy kokoa momba ity tolo-dalàna haroso hodinihana eny amin’ny antenimieran-doholona ity. Misy mantsy ny mampiahiahy araka ny fanazavan’ny filohan’ny ho lafitra, Dokotera RAKOTOSAMIMANANA Josoa.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...