Ny fanantenana dia ilaina foana eo amin'ny fiainana satria hananana tanjona, ary tsy misaraka amin'ny finoana na dia kely aza izany finoana izany hahavitana zavatra goavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fanantenana dia mitondra amin'ny finoana ary ny finoana manova ny zavatra ho amin'ny tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fitiavana dia mifototra amin'ireto teny telo ireto : fifampitokisana, fifanajana, fitiavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Efa nisafidy marina ve isika mba hisian'ny fampandrosoana sy ny fahatsaram-piainana? Ny safidy dia miainga amin'ny isam-batan'olona: izany hoe ny olom-pirenena tsirairay dia manana adidy handray an-tanana ny fampandrosoana ny firenana, eo amin'ny sehatra misy azy avy.

Rehefa tsara ny safidy ataonao, tsy maintsy tsara ny fiainanao. Fahasoavana lehibe sy fahatsaram-piainana ny vokatry ny safidy tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny safidy dia mampivoatra ny maha olona. Mampivoatra ny maha-izay avy amin'ilay atao hoe "développement personnel" na fampivoarana sy fanatsarana ny maha-izay eo amin'ny sehatra izay misy dia isan'ny tena ilaina indrindra amin'ny sehatry ny asa, mikendry ny hampitombo sy hanatsara ny vokatra azo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny safidy no fototry ny fiainana, raha tiana ho tsara ny fifandraisana eo amin'ny olon-droa, eo amin'ny sehatra roa samihafa dia tokony hajaina amin'ny safidiny ny olona tsirairay. Ny safidy dia miainga amin'ny finoana ihany koa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mahaiza mametraka safidy sy manaja ny safidin'ny hafa mba hahatsara ny fiaraha-monina. Ny safidy izay nomen'Andriamanitra ny olombelona eo amin'ny fifandraisan'ny olon-droa na maro dia tokony azahoana vokatra tsara sy mahafa-po eo amin'ny andaniny sy ny ankilany na eo amin'ny mpifankatia na mpivady na mpianaka na mpihavana na mpiara-miombon'antoka hatreny amin'ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Manana ny toerana manokana ary manan-danja ny safidy eo amin'ny fanatsarana ny fiainana. Aoka tsy hatao ambanin-javatra ny safidy ary mizàra maneho safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny safidy ihany sy ny fanajana azy no ahitana filaminana, fandrosoana ary fahatsaram-piainana. Maniry ny Malagasy mba hanana safidy ary hanaja ny safin'ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Fantaro hoe : inona no safidinao eo amin'ny fiainana. Ny safidinao no hitondra fiadanam-po, fiadanan-tsaina, fiadanam-panahy. Ny safidy no mampivelatra sy mampisondrotra ary manatsara ny fiainana ho avy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika noho ny tsy fahaizana manaja ny safidin'ny hafa. Ny fanajana safidy dia mitondra filaminana sy fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...