Ny 26 jona dia fety miavaka amin'ny Malagasy satria io no andro hanamarihana ny tsingerin-taona namerenana ny fahaleovan-tena. Ny lohahevitra : ” Ny fitiavako ny tanindrazako mamelona ny ambopom-pirenena”. Firariantsoa ho an'ny Malagasy 27 tapitrisa ny hoe : " ho fetim-pirenena hiainana ny "fahavanona" anie ity andro malaza ity ary ho fety sambatra ho antsika rehetra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Fotoanan'ny fety isan-karazany izao : ny fetim-pirenena, ny fetin'ny ray, koa aoka iainana ny fifanajana mba hisian'ny fifankativana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena mba hisian'ny fahatsaram-piainana, na eo amin'ny ankohonana io, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eo amin'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena fa na ny tantara maneran-tany ihany koa dia torak'izay, satria isika dia efa miaina ao anatin'ny fanatontoloana... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny maha olom-pirenena dia ny fifanajàna, ny filaminana, izay vokatry ny fiainana ny fahamarinana, ary ireo telo ireo dia mifaningotra. Mba hisian'ny fitohizan'ny fitantanana sy ny fitondrana ny firenena dia ilaina ny fifanajana, indrindra eo amin'ny fifampitondran'ny olom-boatendry sy ny olom-boafidy ary ny teknisiana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny fahavanonana dia manosika ny olona hanao zavatra tsara, milamina, mirindra mba hiteraka vokatra tsara. Ny fampandrosoana dia tsy feno ary mety tsy hisy mihitsy raha toa ka tsy eo ny "fahavanonana".  Ny fifankahalana, ny risoriso, ny tsy fifampitokisana dia sakafo ratsy omentsika ny fo ary taratry ny tsy fisian'ny fahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Ny fahadiovana dia isan'ny endriky ny fahavanonana ary maha tompon'andraikitra... ♦ Tany manan-karena fa tsy tokony ho firenena mahantra i Madagasikara...

Ny fahavanonana sy ny maha olom-pirenena no hitondra fampandrosoana sy fahatsaram-piainana. Ny fanajana ny maha-Malagasy ihany koa dia hamerina amin'ny laoniny ny fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Ireo olona tsy mandeha manaho ny safidiny amin'ny andron'ny fifidianana no tokony hahazo tsiny fa tsy ny fanjakàna sy ny mpikarakara, zo izany ary izay no maha olom-pirenena... ♦ Ara-tantara dia efa ela no nisy olona teto Madagasikara fa tantara iniana disoina ny hilazana fa mpiavy ny malagasy... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny fahavanonana no ahafahana mitrandraka ny talenta sy ny safidy nomen'Andriamanitra an'ny tsirairay, hatafita amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Aoka mba hiainantsika tokoa izany fahavanonana izany, ary hitondra am-bavaka mba hiverenan'ny fandriam-pahalemana, indindra isika Malagasy aty amin'ny ranomasimbe Indiana, ranomasin'ny fandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Aoka iaina ny maha olom-pirenena isika manomboka amin'ny faha-18 taona, ka handray anjara amin'ny fifanampiana manoloana ny zav-misy eto amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...