Mamaha olana amin'ny fahasahiranana ara-bolan'ny mponina eny ambanivohitra, ny fanaovan'izy ireo ombona tahiry ifampisamborana na ny GVEC. Nanana traikefa efa ho valo taona tamin'izany ny fikambanana “Fanantenana”, ao amin'ny Fokontany Antandrokomby, Kaominia Mahitsy, ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo.
Ny safidy no maha tompon'andraikitra. Ny fanabeazana dia fanomanana ny olona ho tompon'andraikitra ; ny fitaizana dia manomana olona ho tompon-toerana amin'ny sehatr'asa izay misy azy. Raha te-hanamafy ny maha-izay sy ny maha-izy dia manàna safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny maso miloko mena dia fambara fa marary io taova entina mijery io. Ny maha mena ny maso dia misy ra miparitaka ao anatin'ny maso. Saropady ny maso koa raha vao misy tranga mampiahiahy dia entanina hatrany hanatona eny amin'ny mpitsabo. Ny firafitry ny maso dia ahiatana ny sosona nofo manify miisa enina ary ao anatin'izay ihany koa ny lalan-dra, ka io faritra io no misy fahavakisana lalan-dra na fibontsonana. Antony mahatonga ny aretina : fahalotoan'ny rivo sy ny tontolo iainana, fijirena "ecran" ela loatra, tsy fampiasana fiarovana maso amin'ny asa manimba maso, tsy fahampian'ny torimaso...
Mamaha olana amin'ny tsy fahitan'ny tanora asa ny filofosana amin'ny fiompiana. Isan'ny nahazo vokatsoa tamin'izany Andriamatoa Randrianarisoa Lancia. Niainga tamin'ny bitro miisa 5, Andriamatoa Randrianarisoa Lancia, monina ao amin'ny Kaominina Anjepy, distrikan'i Manjakandriana, ankehitriny efa maherin'ny 2.000 isa ny bitro novokariny tao anatin'ny taona vitsy.
Amin'ny fiainana dia atao fomba fanao ny manao jery todika ny zavatra nisy sy nolalovana mba entina hanatsarana ny ho avy. Tsara ny hametrahana ny fanontaniana amin'ny tena : aiza ho aiza ny fiainanao eo anatrehan'ny safidy noraisinao?. Ny fanaovana an'io safidy io araka ny tokony ho izy dia hahatsara ny fiainanao. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ireo teboka fototra 10, takiana amin'ny mpampianatra mpanabe mba hampaomby ny fampitana fahalalana sy fanabeazana maha-olona ny mpianatra dia tokony hanana. Tamin'ny 5 ôktôbra lasa teo no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny mpampianatra. Ny fanabeazana ankehitriny dia ahatsapan'ny olona fa tsy ampy ny fanabeazana ny maha-olona. Toetra fototra 10 : mendrika, tony sy tsy mora tezitra, tsy miangatra sy tsy manavakavaka, manana faharetana, mahay mihaino, azo hifanakalozan-kevitra, tia karokaroka, manaiky ny fahasamihafana, mahay maka ny toeran'ilay olona, miran-dava...
Ny "hernie abdominale" dia fipotsahan'ny taova izay amin'ny lavaka tsy tokony hivoahany na lava tsy nisy, ary tsapa ety ivelany. Ny hernia dia mamorona fivontosana lehibe kokoa na latsaka eo amin'ny rindrin'ny kibo, ao amin'ny faritra valahana; mety zara raha hita na mipoitra fotsiny amin'ny fotoana sasany. Mivoaka na mitombo ny hadiry rehefa mitombo ny tsindry amin'ny kibo (ezaka mikohaka). Misy karazany roa lehibe: hernia faritry ny foitra sy hernia amin'ny hazon-damosina...
Misehatra amin'ny famokarana vary manitra ireo tantsaha kaoperativa Vary Manitra Diégo II na ny KOVAMADI-II, ao Anivorano Avaratra Antsiranana-II. Miroborobo ny famokarana noho ny fampiofanana nokarakarain'ny Réseau SOA ho azy ireo. Afaka mamokatra vary manitra hatrany amin'ny 200 taonina ny kaoperativa KOVAMADI-II amin'ity taom-pamokarana ity hoy ny filohany Andriamatoa Tombozara Patrice.
Maro ny olana fa ireto no matetika mitranga amin'ny fiainam-panambadiana : ny fanatanterahana ny asa aman-draharaha, ny ara-bola, ny fanabeazana ny zanaka, ny tsy fahaizana miresaka na mifanakalo hevitra ary indrindra ny eo amin'ny lafiny ara-pananahana (firaisana ara-nofo, fahasarotam-piaro) ka mahatonga ny fisarahana. Na eo aza izany dia tokony tsy hiafara amin'ny fisarahana izany ny mpivady satria Sakramenta ny Mariazy ary koa mila mifampatoky ka miara-mikaroka vaha-olana am-panajàna : tsy manao teny mandratra, tsy miresaka ny lasa loatra, mila mahay mifampihaino sy manaiky ny tsy fitoviana na ny fahasamihafana, manana fijery mihabo sy tsara Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.
Fantaro ny zava-misy ara-toetr'andro ankehitriny sy ny vokatr'izany eo amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Niteraka voka-dratsy maro eo amin'ny lafin'ny fahasalamana ny fiovan'ny toetr'andro ka aleo misoroka toy izay mitsabo, ary izay tsara fiomanana tsy tampohin'ny loza. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.
Safidy inona no anananao eo anatrehan'ny tranga misy eto amin'ny firenena?. Safidy hampandroso an'i Madagasikara ve sa safidy vao mainka hampilentika noho ny fitiavantena. Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika, ny vahaolana dia miankina amin'ny izay safidinao ihany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Tsy ny vehivavy ihany no mety ho tratra ny "homamiadan'ny nono" fa misy ihany koa ny lehilahy saingy vitsy anisa. Ny fitsirihana sy ny fitilina no tena afahana mamaritra ny fahazoana io aretina io. Ny homamiadana dia fitomboan'ny isa sy habe tsy araka ny tokony ho izy ny sela ao anatin'ny vatan'ny olona iray. Famantarana fa mety ho voan'ny kanseran'ny nono: fiovana eo amin`ny haben`ny na ny endriky ny nono; ny fisehon'ny "dimples" na miforitra amin'ny hoditry ny nono; nitombo ny mena, ny fivontosana, na ny hafanana amin'ny nono iray; mangidihidy maharitra; nono mivadika, izany hoe mivadika ao anaty...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco