Manohy ny dingana fampanaraham-penitra an'ireo ivon-toeram-piofanana mivondrona ao aminy ny tambazotran'ny Mpampiofana momba ny Fambolena sy ny eny Ambanivohitra eto Madagasikara na ny FARMADA. Manampy an'ireo ivon-toeram-panofanana, ny mpampiofana, ireo tantsaha mpanao tolo-draharaha momba ny fanofanana ahafahan'izy ireo misitraka ny taratasy manamarina izay fananàny traik'efa izay amin'ny alalan'ny firosoana amin'ny Fankatoavana ny Azo tamin'ny Traik'efa na ny VAE ity rafitra ity ankehitriny.
Voalohan’ny volana jona, andro eran-tany hoan’ny ronono. Mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny malagasy ny ronono sy ny vokatra azo avy amin’ny, raha mitaha amin’ny mponina atsy Afrika sy any Eraopa. Ronono 16 litatra isan-taona no fanamby apetraka hosotroin’ny malagasy iray raha toa ka 40 litatra isan’olona atsy Afrika ary efa mahatratra 200 litatra isan’olona kosa any Eraopa...
Natokana ho herinandron’ny vokatra tena tsara na ny « Semaine de l’excellence » ity herinandro ity. Maro ireo hetsika anehoana izany nanomboka ny talata lasa teo hatramin’ny alahady izao. Voalohany amin’izany hetsika izany ny fikaonan-doha na ny Forum B To B natao teny amin’ny Hotely Carlton Anosy. Hetsika nifampiresahan’ny tompon’andraikitra avy amin’ny Fanjakàna sy ny mpisehatra ara-pambolena niaraka tamin’ny rafitra ara-bola sy ny mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola....
Mety hahazo ny olona rehetra — na zaza, na olon-dehibe — ny aretin-tenda. Ny fanafihan'ny otrikaretina na tsimokaretina, na allergie no mahatonga azy. Fa mety ho fitrangan'aretina hafa ao amin'ny vatana koa ny aretin-tenda. Izay no ilana ny fanatonana mpitsabo. Ny kambontenda dia taova misy ao amin'ny tenda. Ilaina amin'ny fiarovana ny tenda ary mpamokatra hery fiarovana izy. Samy manana ny habeny ny tsirairay. Raha manelingelina dia ilaina ny manatona mpitsabo, izy no mahalala na tokony esorina na tsia ny kambontenda.
Ny 31 mey no andro maneran-tany tsy hifohana sigara, entanina ny olona rehetra mba tsy hifoka sigara sy tsy hividy sigara manomboka amin'io daty io. Ny nanamboatra ny sigara voalohany dia mpangataka, teratany Espagnole ; notsakoina taloha ny sigara fa taty aoriana vao nofonosina. Mety aretina maro sy mafy kokoa ho an'ireo tsy mpifoka sigara, izay mahafoka tsinahy setroka sigara, amin'ny toerana samihafa no azony noho ny an'ireo tena mpifoka. Azo atao tsara ny manampy ny olona te hiala sigara, ara-tsaina, ara-batana. Ireo fototra afahana miala sigara : fanapahan-kevitra hiala sigara ; faharoa tsy mividy sigara intsony ; fahatelo mifoka rivotra madio 10 minitra isa-maraina ; fahaefatra manadio ny aty vava, misotro rano iray vera isan'ora...
Amin'ny andro ririnina dia tsy mari-toerana ny hafanana fa miovaova, miteraka fahasarotana ara-pahasalamana ho an'ny olona izany, indrindra ho an'ireo marefo... Ny anton'ny fahasarotana ara-pahasalamana dia ny rivotra, ny hatsiaka, ary ny hamandoana. Rehefa mahare mangatsika ny vatana dia mikainkona ny lalan-dra, ary mitombo ny hery ilain'ny vatana, ary lasa marihitra ny ra. Malaina ny taovam-pandevonan-kanina, ary mety ho tonga amin'ny tsy fahampian-drano... Mitombo ny olona voan'ny sery...
Ny antony mampivonto ny tongotra dia mety ho roa : ny voalohany dia vokatry ny dona na ratra, ary ny faharoa dia misy rano miandrona anatin'ny nofon-tongotra. Ny fivontosana amin'ny tongotra dia mety ahazo ny sokajin-taona rehetra. Manampy iretsy antony voalaza ery aloha dia misy antony maromaro ireto miteraka fivontosana amin'ny tongotra : tsy milamina ny fikorinan'ny rà, tsy fahampianan-tsakafo, aretina filariozy, tsy fahazakana fanafody hafa. Ny fivontosana amin'ny tongotra dia tokony ho tsaboina eny amin'ireo mpitsabo hatrany. Mety ho vokatra azo avy amin'ny aretina hafa ny fivontosana toy ny hoe : varisy, aretin'ny voa, aretin'ny fo...
Ny tsinay dia sokajiana ho isan'ny taovam-pandevonan-kanina : miala eo amin'ny vavony izay atao hoe tsinay kely ary miafara hatreo amin'ny lava-body, misy ny tsinay lehibe. Ny asan'ny tsinay dia mampiditra anatin'ny vatana ireo singa avy nolevonin'ny vavony. Ireo aretina mety hahazo ny tsinay : fanafihan'ny tsimok'aretina, fisian'ny kantsetsitra (kankana), fahatsentsenana na fiolanan'ny tsinay, fivontosana maro any anaty tsinay... Antony mahatonga ny aretina dia vokatry ny loto tafiditra ao anaty amin'ny alalan'ny tanana, fitaovam-pihinana maloto, sakafo ratsy fikarakarana na maloto. Ilaina ny fitsaboana ny aretin'ny tsinay indrindra raha mivalana matetika dia mety hiteraka fahafatesana. Mety hifindra ny aretina mpahazo ny tsinay raha tsy voatsabo...
Betsaka ny vehivavy no mijaly vokatry ny fanaintainana mandritra ny fadimbolana, maro ihany koa ireo mahatsapa io olana io aloha sy aorian'ny fadimbolana. Ny vehivavy matoa tonga fotoana dia misy tranon-jaza ao amin'ny miaraka amin'ireo taova mikasika ny fananahana. Ny tsingerin'ny fadimbolana iray dia miainga eo amin'ny fahatongavan'ny fadimbolana ary mifarana any amin'ny fadimbolana manaraka ; mandritra io fotoana io no mivoatra tsikelikely ny tranon-jaza ary avy ao no miraraka ny ra rehefa tonga ny fotoana, indrindra rehefa tsisy fitsahina na koa hoe tsy misy vohoka. Mihontana sy mikainko ny tranon-jaza rehefa hamoaka ny ra ka izay no mahatonga ny fanaintainana...
Ny "prostate" dia taova madinika, ao amin'ny taovam-pananahan'ny lehilahy, ny vehivavy dia tsy misy an'io. Eo anelanelan'ireo taova kely miisa roa ireo no mandalo ny fantsona handehanan'ny pipi. Ny lanjany dia 15g hatramin'ny 25 g, ireo taova ireo dia mamokatra tsiranoka "liquide seminale", manampy ny tsirinaina ho tonga any amin'ny lalan-jaza. Misy karazany telo ny aretina : 1- prostatite izany hoe fanafihan'ny otrik'aretina, 2- Hypertrophie bénigne de la prostate izany hoe mivonto ny prostate, 3- ny homamiadan'ny prostate...
Ny aretina "mycoses" dia misy mandavan-taona, indrindra amin'ny vanim-potoana fahavaratra satria mafana no misy hamandoana mandritra iny fotoana iny. Mety ho tratran'ity aretina ity daholo ny sokajin-taona rehetra. Mety miverim-berina. Mifindra amin'ny olona samy olona amin'ny alalan'ny fifampikasoana na fampiasana ireo zavatra iombonana. Ny olona mety handairany kokoa : olona malemy hoditra, ireo manana olana amin'ny fikorinan'ny ra... Ireo karazana mycoses : bucales ao anaty vava, vaginales/génitales amin'ny taovam-pananahana, cutanées eny amin'ny hoditra. Fambara : Mangidihidy, mamaivay, manaintaina...
Efa ela no nisian'ny aretina raboka, ary mbola misy hatramin'izao, indrindra eto Madagasikara. Misy ny Tetik'asa Nasiônaly hiadiana amin'ny Raboka na ny "PNT" ho antsika eto Madagasikara, iarahana amin'ny Ministeran'ny fahasalamana. Ny raboka atao hoe "TB" dia areti-mifindra vokatry ny mycobacterium, Mycobacterium tuberculose, antsoina hoe "bacillus Koch" (BK). Maimaimpoana ny fitaboana ny raboka, fa kosa tsy maintsy vitaina hatramin'ny farany ny fitsaboana, izay maharitra 6volana. Mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora ny raboka. Fambara : kohoka mihoatra ny 3herinandro, mety hisy ra, mihareraka ilay olona, tsy mazoto homana...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco