Mila hamafisina ny fanohanana ny Faritra Atsimo-Atsinanana amin'ny ady atao amin'ny tsifanjarian-tsakafo. Nahazo vahana mantsy ny tsifanjarian-tsakafo mitarazoka sy ny mahery vaika taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza Batsiray sy ny Emnati hoy ny governoran'ny Faritra Dokotera Mahafaky Justin. Nahatratra 48,5% ny tahan'ny tsifanjarian-tsakafo mitarazoka ho an'ny zaza latsaky ny 5 taona talohan'ny fandalovan'ny rivo-doza. Niakatra manodidina ny 50% izany taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza araka ny fanazavany...

Miadana nefa ny fanapahana ny rohy mahatonga ny tsifanjarian-tsakafo mitarazoka ka mila ampiana ny fanohanana ny Faritra handresy azy io hoy  ny governoran'ny Faritra Atsimo-Atsinanana Dokotera Mahafaky Justin.

Amin'ny fotoanan'ny maitso ahitra no tena itrangan'ny tsifanjarian-tsakafo mitarazoka indrindra ny tsifanjarian-tsakafo mahery vaika any amin'iny Faritra Atsimo-Atsinanana iny. Mila hamafisina ny fampiannarana ny olona any ambanivohitra amin'ny fikarakarana sakafo hoy ny governora Dokotera Mahafaky Justin.

Manatanteraka ny Politikam-pirenena ho an'ny Fanjarian-tsakafo na ny PNN any amin'ny Faritra Atsimo-Atsinanana ny Ôfisim-pirenena ho an'ny Fanjarian-tsakafo na ny ONN amin'ny alalan'ny Ôfisim-paritra ho an'ny fanjarian-tsakafo na ny ORN. Toa izany koa ny drafitr'asam-pirenena iraisan'ny departemanta samihafa ho an'ny Fanjariantsakafo na ny PNAMN.

Mandrindra marolafy amin'izay ady amin'ny tsifanjarian-tsakafo izay ny ONN. Tafiditra amin'izany ny lafiny fahasalamana, ny fanabeazana, ny famokarana sakafo amin'ny alalan'ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, ny fahazoana rano fisotro madio, ny fidiovana sy ny fanadiovana ary ny fiahiana ara-tsôsialy hoy Andriamatoa Andrianjafinarivo Zonandrianina miandraikitra fandaharana ny fanjarian-tsakafo eny ifotony, ao amin'ny ORN Atsimo-Atsinanana.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...