Nifarana androany zoma 28 jolay 2023 ny hetsika fanaovana vaksiny hiadiana amin'ny lefak'ozatra. Ny lefak'ozatra dia aretina azo avy amin'ny tsimok'aretina "poliovirus". Ny poliovirus dia velona ao anaty tay, na koa ao anatin'ny olombelona. Maro ny olona no tsy manaja ny fahadiovana ka manary tay eny amin'ny lakandrano, bakan-jaoridira, eny an-dalambe. Mifindra haingana ny "poliovirus" raha tsy voatandrina ; efa foana ny tranga ny taona 2018 anefa niverina nirongatra ny 2020 hatramin'izao...
Aretina efa nisy hatramin'ny andro niainan'ny Jesoa Kristy ny "habokàna", ary efa nisy hatrany ny fandraisana an-tanana ireny teo Madagasikara. Efa misy ny fivoaran'ny fikarohana mikasika ny fitsaboana ny aretina habokàna. Ny habokana dia vokatry ny otrik'aretina "Bacile de hansen". Ity aretina io dia areti-mifidra fa tsy manaranaka, mifindra amin'ny alalan'ny ivy, rora, lelo, fifampikasohana maharitra amin'ny marary. Manafika ny hoditra, ny retsika sy ny lalan-drivotra ary ny maso io otrik'aretina io...
Ny votsy dia mifindra amin'ny olona iray amin'ny alalan'ny fifampikasohana, indrindra ho an'ireo manana hoditra marefo sy tsy ampy hery fiarovana ; ny sokajin-taona ankizy sy ny tanora no tena betsaka misy votsy ary mety aharitra taona vitsy no hitondra azy. Tsimok'aretina no mahatonga ny votsy izay ao anatin'ny fianakaviambe ny "papillomavirus humain". Misy karazany maro ny votsy ary mety ho hita amin'ny faritra rehetra amin'ny vatana : hoditra, aty vava, amin'ny taovam-pananahana...
Na mbola tsy mahalala kolikoly aza ny zaza dia efa misy fanabeazana azo atao mba tsy hitodika amin'izany izy. Na tsy resahana ny zaza àry ny hoe kolikoly dia ny fomba fihetsika manoloana azy mihitsy no mila tandremana mba tsy hampirona azy amin'izany. Tsy ny resa-bola ihany no endrika isehoan'ny kolikoly fa maro ary isan'izany ny fomba fiteny, ka eo indrindra no miditra ny fanabeazana ny toe-tsain'ny zaza dieny mbola kely izy...
Ilàna fiomanana ny fanambadiana fa tsy atao fahatany, toraka izany koa ny firosoana amin'ny firaisana ara-nofo. Raha hiresaka amin'ny olona manana olana, dia tsy maintsy fantarina aloha ny antony nisian'ny olana, amin'ny alalan'io no hamaritana ny vahaolana, izany hoe mila faharesen-dahatra. Na inona na inona zava-mahadomelina raisin'ny ray aman-dreny mandritra ny fahariana ilay zanany dia tsy maintsy misy fiatrakiny amin'ilay zanany izany.
Ezaka no hatao hanampiana sahady ny tovovavy hiatrika ny ho reny sy ho renim-pianakaviana. Manoloana ny fahasahiranan'ny reny, amin'izao fotoana izao, dia mampanahy ny fiatrehan'ireo tovovavy ho reny, aoriana ao, ny fiainana. Raha hisafidy ny hoe reny ny tovovavy iray dia tokony ho fantany izay manodidina ny fananahana. Ny reny dia ireo niteraka sy nanabe ara-batana ; ny renim-pianakaviana kosa ireo manabe ny saina sy ny fo, ny fanahy, ny maha olona manontolo.
Ny fiainan'ny olona dia mitohy hatrany, avy nandranto fianarana dia mitohy any amin'ny sehatry ny asa na sehatra hafa, indrindra ny sehatry ny fanambadiana. Ny fitiavana dia : fahasamihafana, fifamenoana, fifanekena, fifaliana, tebiteby, fiainana lava be. Ny olona mifankatia dia mampisongadina ny fahasamihafàna ary tonga amin'ny fifamenoana, ary mifanaiky hifampitantana amin'ny fiainana. Ny dingam-piainana isan-karazany dia ampy hanefy ny olona ara-po hatanty ny ratram-po.
Ny fampinonoan-dreny dia dinga iray eo amin'ny fitondrana ny zanaka ary adidin'ny reny. Ny fotoana ahafantarana fa mitondra vohoka ny vehivavy dia efa tokony hivonona amin'ny fampinonona izay ho reny. Ny nonon-dreny dia manampy ny zaza amin'ny fitomboany satria mbola marefo ny taova ao anatiny, sady sakafo no vaksiny ho an'ilay zaza. Ny fampinonoan-dreny dia manampy ny reny hamerina ny toe-batany sy ny taova rehetra. Ny fampinonoan-dreny dia atao tsy misy fangarony anatin'ny 6 volana.
Ny volana jona no fotoana hanamarihana ny fetin'ny fahaleovan-tena ho an'ny Malagasy. Fotoana toa izao no tokony hampahafantarana ny olona rehetra ny antony hankalazana ity fety ity. Ny fananganana ny saim-pirenena dia mariky ny fiandrianam-pirenena. Ny tantara mikasika an'i Madagasikara dia saika nosoratan'ireo mpanoratra vazaha toa an'i : Grandidier, Flacourt, Jeacques Tronchon ; ka maro ny zava-misy niniana nafenina ary izay no mahatonga ny hisalasala. Tokony hampientana ny fo tanteraka ny fiverenan'ny fahaleovan-tena ary izay no antony hananganana ny saim-pirenena miaraka amin'ireo fomba amam-panao entina hankalazana izany (arendrina, lanonana, sakafo...)
Fanontaniana tsy maintsy hapetraka ity fanontaniana ity mba hanehoana ny fitiavana ny tanindrazana dia ny hoe : Inona ny anjara biriky azoko hatolotra ho fanasoavana an'i Madagasikara?. Tsy tokony hifanome tsiny na hifampiandry ny hafa isika mba hampandrosoana ny firenentsika. Ny fahombiazan'ny tsirairay no tonga ho fahombiazan'ny firenena iombonantsika. Ny fahasalamana no voalohan-karena ka raha salama ny tsirairay dia afaka hamokatra ho azy sy ny firenena, izay anjara biriky kely ihany.
Ny vehivavy avy niteraka ka tsy mahatana ny amany, izay tokony hivoaka amin'ny lalany ara-boajanahary fa lasa manaraka ny lalan-jaza no tiana holazaina amin'ny hoe "aretina mamany lava". Miteraka fofona io aretina io rehefa tsy voatsabo, ary iharan'ny fanilikiliana eny anivon'ny fiaraha-monina ny vehivavy tratran'io tsy fahasalamana io. Ny antony mety mahatonga azy dia ny fahateren'ny hoditry ny lalan-jaza sy ny tatavy na ny tsinaibe noho ny faharetan'ny fotoana fiterahana ka misy faharovitana ireo taova ireo. Mba hisorohana izany dia tokony ho maoty ny vehivavy vao miatrika ny fitondrana vohoka sy fiterahana.
Miainga amintsika tsirairay ny afahana mampandroso an'i Madagasika, amin'ny lafiny ara-pahasalamana momba ny vatana, ara-po izany hoe fitiavana, ara-tsaina ary ny ara-panahy satria ireo no isan'ny fototra maha olona. Tokony hanana fahazarana ny olona rehetra hanao ireo manaraka ireto : famantarana ny tombony sy ny hery ao aminy, ny leseko tokony harenina, ny zavatra hafa fanararaotra ary ny sakana tsy afahana mandroso. Raha ireo no fantatra dia azo antoka ny handrosoan'ny firenena.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco