Misy ary matetika mitranga ny tsy fahatomombanan'ny ahitra mandritra ny vohoka. Aty amin'ny tany an-dalam-pandrosoana dia maro ireo vehivavy no maty eo am-piterahana, ary io no mahatonga ny ministeran'ny fahasalamana mba hiterahan'ny vehivavy any amin'ny tobim-pahasalamana ; nampiofana ihany koa ireo reninjaza. Ny ahiatra dia taova mandalo, izay ny lalan-dra no mameno azy ka io no isan'ny mampifandray ny zanaka sy ny reniny mandritra ny vohoka. Ny asan'ny ahitra dia miantoka ny famatsiana ny rivotra ho an'ny zaza ary mamoaka ireo rivotra tsy ilain'ilay zaza, io taova io no mampiasa tsikelikely ny voa sy ny atin'ny zaza, io ihany koa no miaro ilay zaza amin'ny aretina na fanafihana hafa... 

 

[Vaovao manokana] Talata 5 desambra 2023

Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin’ny fitantanana pastôraly ny Diôsezin’i Tolagnaro, noho ny fahatrarany ny fetra-taona, ary notendren’ny Ray masina handimby azy i Mompera Luc Olivier Razafitsimialona, Économe ao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Joany Batista, Vohitsoa, Fianarantsoa.

Tohiny...

Tsara ny Noely, raha...

Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...