Fandaharana nitety vanim-potoana maro ny "mba ho vanona", niatomboka tamin'ny fandaharana "fitiavana sy ny tontolony" ary ny "E.V.A". Mpanetana nanao ny ezaka nampanjary ny fandaharana Andriamatoa Flavien Rakotoarison, efa naharitra 28 taona no nanaovany izany asa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Manana ny lanjany ny safidy eo amin'ny fiainantsika manokana, sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny safidy dia fomba fifandraisan'olona roa, napetrak'Andriamanitra, na sehatra roa samihafa, ka hahitana vokatra tsara ho an'ny andaniny sy fahafahampo ho an'ny ankilany ; taratra ao anatin'izany ny fifanajana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny safidy tsara dia ahitana fahafahampo ho anao, ary vokatra tsara ho an'ny manodidina. Na eo amin'ny ankohonana misy anao izany, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eto amin'ny firenena ; olom-pirenena tompon'adidy ianao sy izaho koa aoka hanana heri-po hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Tsy afaka misaraka ny safidy sy ny fitiavana. Ny safidy dia isan'ny fanomanana ny olom-pirenena. Ny olom-pirenena no fototra maha firenena ny firenena iray. Mijanona ho vahoaka fotsiny ny ankamaroan'ny olona +18 taona fa tsy tsy mahatsiaro tena mihitsy ho olom-pirenena. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny safidy dia isan'ny maha-olombelona ; ny anjely dia tsy manan-tsafidy fa manatanteraka hiraka fotsiny. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra ary nomena ny olona tsirairay. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ankatoky ny fetin'ny ray isika ; firariantsoa no atao ho azy ireny, mba ho toy ny hazo hamoa voatsara hitondra fiainana. Hirariana ho toy izany ny lehilahy rehetra, raim-pianakaviana. Adidy lehibe no iandraiketan'ny raim-pianakaviana ka mila fankaherezana sy fitiavana izy ireny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Anjaran'ny olom-pirenena no manomana ny ho aviny, azy ny safidy ary izy no tompon'andraikitra amin'izay mety ho voakatry ny safidiny. Herisetra ny fanerena ny olona amin'ny safidiny amin'ny alalan'ny fanomezana isan-karazany, indrindra raha vao miteraka fahavoazana ho an'ireo hiarany. Ny mamaritra ny ho avin'ny tsirairay dia mifototra amin'ny safidy hatrany, amin'ny sehatra rehetra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024, zo sy adidy ny mifidy. Raha olom-pirenena manana kara-panondro ianao dia mandehana manatanteraka ny adidy sy andraikitra amin'ny fampandehanana ny firenentsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ity taona ity, zo sy adidy ny mifidy. Ny safidy dia zava-dehibe ary fototry ny ho avy koa samia miezaka ho tony sy hisaina tsara izay mety hampandrosoana ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny mitaiza dia fampitana fahalalana ho tonga ho fahaizana ka ahazoana marim-pahaizana ary ahafahana miasa ; ny fanabeazana dia manomana olona ho tompon'andraikitra. Ny olona notezaina dia olona novolavolaina ho tompon-toerana, ary matetika tsy manome lanja ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fanantenana dia ilaina eo amin'ny fiainana mba hisian'ny fivoarana. Ny fanantenana dia mametraka tanjona mandrakariva, koa manàna àry fanantenana eo amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ao anatin'ny Herinandro Masina dia tokony hanana ny lanjany ny fanantenana sy ny famonjena, izay mifanaraka tsara amin'ny loha-hevitry ny fandaharana teo aloha. Ny fifananjana dia miainga amin'ny fomba fiankanjo, fiteny. Ny fifampitokisana no mitondra eo amin'ny fahamarinana mitarika fifankatiavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco