Ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana no tena antoky ny fivelaran'ny zanaka. Ny tokony ho fijerin'ny ray aman-dreny ny fampandraisana andraikitra ny zanany any an-tsekoly dia mifototra amin'ny fahafantarana ny lanjan'ny fampandraisan'andraikitra ary vonona hiara-hiasa amin'ny sekoly amin'ny fanohizana ny fanabeazana any an-tokantrano. Fampianarana ny ankizy ny andraikitra omena azy any an-tsekoly... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny tsy fahampian-drà dia ny tsy fahampian'ny sela mena ao anatin'ny ra. Ny sela anatin'ny ra dia misy karazany telo : sela mena, sela fotsy, ary ny atao hoe "plaquette". Rehefa tsy ampy ny sela mena anatin'ny ra dia mitarika ny fidinan'ny tahan'ny "oxygène" ao anatin'ny ra sy ny taova manontolo, ary tsy araka ny tokony ho izy ihany koa ny famoahana ny "gaz carbonique". Fambara : hatsatra, reraka, fanina matetika, mangatsiaka ny ratsam-batana, marary andoha matetika... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Mbola malalaka ny lalam-barotra any ivelany ho an'ny vokatra tantely. Manana fiaraha-miasa ahafahana manondrana vokatra hatrany amin'ny 18 taonina isan-taona ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasiônaly. Lalam-pihariana atao laharam-pahamehana ao amin'ilay tetik'asa andiany farany iarahan'ny FFF FAO na ny Farm and Forest Facility sy ny Tranoben'ny Tantsaha ny fiompiana tantely.
Nankalazaina ny 11 febroary ny andro maneran-tany ho an'ny marary ; nitondra hafatra ny Papa Ray Masina tamin'izany. Ny foto-kevi-dehibe ny hoe fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay ao anatin'ny fiaraha-monina. Koa tsy tsara raha avela irery ny olona, ny mikarakara ny marary dia mikolokolo ny fifandraisana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana.
Ny fitiavana dia mifototra amin'ireto teny telo ireto : fifampitokisana, fifanajana, fitiavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny faha-11 febroary dia andro manokana hijerena sy hitsinjovana ireo marary rehetra, fa ny 12 febroary dia natokana ho an'ireo mararin'ny androbe. Ny hepatita dia areti-mifindra, izay aretina mpahazo ny aty. Ny asan'ny aty dia manadio ny ra, amin'ireo singa izay manampoizina ny vatan'ny olombelona, izay miditra amin'ny alalan'ny rivotra fohana sy ny maso-koditra, sakafo, firaisana ara-nofo. Ny hepatita dia fahasimban'ny aty vokatry ny zavatra misy poizina na otrik'aretina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Misy fetra ny fampiasana ny saina, ny mihoatra dia mampikorotana ny fahasalaman'ny saina. Ny fahasalamana ara-tsaina dia azo adika hoe : ny fananana saina afaka maneho sy manatanteraka ny fahaiza-manao, afaka miatrika ny fahasarotana mahazatra eo amin'ny fiainana, afaka mamokatra amin'ny asa atao sy afaka miaina sy milamina ao anatin'ny fiaraha-monina... Ny fahasalamana ara-tsaina dia mifampiankina amin'ny tontolo manodidina : asa, fiaraha-monina, ny fomba fiainana, fahasalamana ankapobeny. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Mamaha olana amin'ny fahasahiranana ara-bolan'ny mponina eny ambanivohitra, ny fanaovan'izy ireo ombona tahiry ifampisamborana na ny GVEC. Nanana traikefa efa ho valo taona tamin'izany ny fikambanana “Fanantenana”, ao amin'ny Fokontany Antandrokomby, Kaominia Mahitsy, ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo.
Avy ao anatin'ny fianakaviana no hipoiran'ny olona mandray andraikitra. Ny fianakaviana dia sehatra iray hanabeazana sy hamolavolana olom-banona, mandray andraikitra. Ny fianakaviana no afaka mampahafantatra ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fampisehoana sy fampihainoana ny fampianaran'ny fiangonana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny vaomieran'ny Eveka misahana ny Fianakaviana.
Ny tanora dia ireo sokajin'olona eo ampanomanana ny fiainan'ny sy ny ho aviny, izany hoe ireo eo anelanelan'ny salan-taonan'ny ankizy sy ny olon-dehibe. Ny olon-dehibe dia 20 taona mahery ara-batana, mahaleo tena efa manana ny asany, matotra, manana ankohonana. Ny fanambin'ny vaninandro ankehitriny, ho an'ny tanora dia ny fanampiana ny fianakaviana amin'ny asa fanao, miezaka ny hanana fitondran-tena matotra, sahy hiatrika ny ho avy. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny "infections urinaires" dia aretin'ny taova mpanivana sy mpanangona ary ny fantsona mpamoaka ny amany eo amin'ny olona iray. Ny olona salama dia tsy tokony hatsapa mangirifiry na mangididy rehefa mamany. Ity aretina ity dia mety hakasika ny voa sy ireo fantsona mampifandray io taova io amin'ny fantson'amany. Ny vehivavy no tena maro tratran'ity aretina ity noho ny taova fantsona ivoahan'ny amany sy ny lalan-jaza, ary ny lava-body, mifanakaiky loatra... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Loza mitatao ho an'ny fambolem-bary eto Madagasikara ny aretim-bary ateraky ny bakteria ka mila ny fiaraha-mientan'ny mpisehatra rehetra ny ady atao aminy. Miparitaka amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy ankehitriny ny aretina malazo ravina na ny BLB sy ny aretina tsipika amin'ny ravina na ny BRS raha toa ka ny volana desambra 2019 no nahitan'ny mpikaroka voalohny azy teto Madagasikara.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco