Mandresy lahatra ny tantsaha ao amin'ny Distrikan'Ambatoboeny Faritra Boeny hikajy ny tontolo iainana amin'ny fampiasàna ireo teknika fambolena mifanaraka amin'izany ny Fivondronan'ny Tantsaha Miara-mizotra... Miasa amin'ny kaominina miisa 6 ao amin'ity Distrika ity ny fikambanana efa ho 3 taona izao. Sehatr'asa ataony ny fanapariahana ny teknikam-pambolena mikajy ny tontolo iainana mba hiarovana ny nofon-tany sy ny tontolo manodidina. Manatsara ny velon-tenan'ny tantsaha amin'ny alalan'ny varotra iombonana ihany koa ny fikambanana. 4 taona niasana ny fikambanana Miara-mizotra, kanefa efa azo tsapain-tanana hoy Andriamatoa Randriazafison Tsitohaina, filoha mpanorina ny fikambanana Miara-mizotra ny vokatra azo amin'ny faharesehan-dahatry ny tantsaha amin'ny fampià izay fambolena mikajy ny tontolo iainana izay.

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...