Manohana ny fiarovana ny ala honko ao amin’ny faritr’i Sofia ny fahefana eo anivon’ny faritra sy ny any amin’ny kaominina. Raharaham-panjakàna ny fiarovana ny tontolo iainana araka ny nambaran’Andriamatoa Fidèle Emilson, tale misahana ny fotodrafitr’asa sy ny falmpandrosoana na ny DID ao amin’ny faritr’i Sofia, sady filoha lefitry ny vovonana hoan’ny fitantanana ny faritra arovana na ny P.F.Gap Avarabe Lovainjafy izay ivondronan’ny faritra Sofia, Diana, Sava, Analanjirofo ary Boeny. Manaporofo izany hoy izy ny fametrahana io rafitra io...

Rafitra ivondronan’ny tompon’andraikitra ao amin’ireo faritra ireo ary vokatry ny fametrahana ny komity mpitantana ny vohitry ny atitany avaratra na ny COPIL HTN tamin’ny taona 2017. Manana faritr’ala isan’ny lehibe eto Madagasikara ireo faritra ireo, ary manan-karena amin’ny rohy voahary koa isan’izany ny ala honko.

Ny ala honko izay iharan’ny tsindry samihafa tato ato ka mila andraisana andraikitra hoy Andriamatoa Fidèle Emilson. Lasa filàna ho an’i Mahajanga sy Nosy be moa ankehitriny ny harena trandrahana antsokosoko ao amin’ny ala honkon’i Faritra Sofia, manana halavàna 450 kilometatra hoy hatrany izy.

.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...