Fahombiazana no azo amehezana ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Toe-karena eny ambanivohitra (FIER MADA) andiany faha-26, natao teny amin'ny kianjan'i Makis Andohatapenaka, nandritra ny 5 andro. Afapo ireo tantsaha aévy amin'ny Faritra 24 nitondra ny vokany teto an-drenivohitra. Tonga marobe ny mpitsidika. Nahatratra 100.000 ireo olona nifamezivezy teny Andohatapenaka nandritra ny fotoana nanaovana ny Foara...

Mbola miavaka amin'ny foara hafa nisy taty aoriana ny FIER MADA hoy ireo tantsaha nitondra ny vokany teny Andohatapenaka. Tsy mamono antoka ny fandraisana anjara amin'ny tsenabe toa itony hoy izy ireo. Ankoatra ireo mpanjifa nividy mivantana ny vokatra nentina, maro ireo nanao famandrihana na ny commande.

Olona vonona nividy sy nanao famandrihana ireo mpitsidika hoy ny filoha mpanorina ny FIER MADA, Jacques Ramanantsoa. Nitombo ny isan'izy ireo hoy ny mpandray anjara.  Nihatsara noho ny tamin'ny herintaona.

Tratra ny tanjona amin'ny maha tsenabe iraisam-pirenena azy hoy hatrany ny filoha mpanoroina. Nifanindran-dalana amin'ny fanatanterahana ny fihaonamben'ny SADC eto Madagasikara ka nisy tamin'izy ireny no tonga teny Andohatapenaka hoy Andriamatoa Jacques Ramanantsoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...