Misitraka fiofanana hoan’ny mpampiofana mpampitombo amin’ny famokarana biolojika amin’ny alalan’ilay tetik’asa KCOA-KHEA ireo mpikamban’ny Filamatra Soa Iombona na ny FISOI sy ny SOAMITSINJO ato amin’ny faritra Analamanga. Fihofanana nandritra ny dimy andro natao tao amin’ny Foibe SAF FJKM na ny FOFIFAKRI Isoavina Ambanitsena distrikan’i Manjakandriana ny volana Mars 2024....
Misedra fanamby maro ny tanora amin'izao fotoana izao. Mba ho afaka hiatrika izany dia ilaina ny fahaizana miaina ao anaty tontolo manaja ny soatoavina mifototra amin'ny fanabeazana lalim-paka, miaina ny maha-kristianina. Manana anjara toerana lehibe ny fanabeazana fony fahazaza ao anatin'izany fa eo ihany koa ny fanabeazana eny an-tsekoly sy ny fiaraha-monina. Mba ho tanora hafa kely tsy hanara-drenirano fa handanjalanja ny zavatra atao... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Ny fitsipi-pifehezana sy ny fitondrantena ary ny fahalalam-pomba eo anivon'ny fiaraha-monina dia isan'ireo fototra sy andry lehibe ho an'ny fampivoarana ny fiainan'ny tsirairay sy ny fianakaviana. Ny fitsipi-pifehezana no antoka iray mahatsara fitondrantena ny olona iray. Ny fitsipi-pifehezana dia ny fiaraha-monina no manadrafitra azy : Sekoly, orinasa, tokan-trano, fiaraha-monina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mitohy ny fikarohana ataon'ny mpikaroka amin'ny fomba iadiana amin'ilay aretim-bary malazo ravina BLB sy mitsipika amin'ny ravina BRS, miparitaka amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy. Tsy mbola hita ny fanafody fa mitady an'ireo karazam-bary mahatohitra ny aretina ny teknisianina mpikaroka amin'izao fotoana izao...
Ny fiarahan-dia dia midika fiaraha-mientana, fiaraha-misalahy amin'ny fanatontosana ireo fitsaboana sahaza ; manomboka any amin'ny fisorohona, ny fitsaboana ary ny fanaraha-maso aorian'ny fitsaboana. Miseho amin'ny endrika maro ny fiaraha-mientana ary tokony hamafisina eo amin'ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra ka tokony ho hafatra iray no ampitaina manoloana ny trangan'aretina iray. Ampanjakaina ny fanajana ny maha-olona ary alavirina ny kolikoly... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fahasalamana ary ny ivon-toerana Arrupe.
Ny ray aman-dreny no môdely ho an'ireo zanaka, ary manana adidy hametraka rafitsaina mendrika ny maha olombanona. Ny fanabeazana dia mila saina tia karokaroka ; tsy afaka misaraka ny fanabeazana sy ny fiainam-pirenena izany hoe miainga ao an-trano. Manahirana ny fanabeazana ankehitriny, antony vitsy ny tsy fahampian'ny fotoana hifampiresahan'ny zanaka sy ny ray aman-dreny, eo koa ny herin'ny vola izay lasa toy ny sampy... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fahasalaman'ny zokiolona dia miankina amin'ny tontolo manodidina azy. Isan'ireo mandrafitra ny fahasalaman'ny zokiolona ny hafaliana, fanatseham-batana, fahafahana mikarakara zavatra iray. Rehefa +55 taona ny olona iray dia efa azo lazaina hoe "zokiolona", izay mety ho tojo fahasahiranana ara-pahasalamana raha tsy nihomana tamin'ny lafiny maro, talohan'io taona io ; ohatra ny fitandremana ara-tsakafo, ny fitaizam-batana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...
Mihamafy ny andavanandrom-piainan’ny fianakaviana manoloana ny fahasahiranana isan-karazany. Toa lasa laharam-pahamehana ny fitadiavana sy fivelomana isan’andro ka mihamanjavona ny kalitaom-pifandraisana noho ny havizanana sy ny raritsaina aterak’izany. Ny fiarahana miatrika izany anefa dia mamelona fanantenana lehibe ho an’ny tsirairay ao anaty fianakaviana. Ny fahasarotana indrindra no tokony vao maika hanosika hiray hina sy hifankatia ary hifanohana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fianakaviana ary ny ivon-toerana Arrupe.
Ny fanabeazana dia manomboka amin'ny zaza voateraka hatramin'ny fahadimy taonany, izay fotoana ametrahana ny rafitsaina ho an'ny zaza. Ny fanabeazana dia fanomanana ny olona ho tompon'andraikitra manomboka amin'ny tenany, ny fiaraha-monina ary ho amin'ny firenena. Ny fananana mpanampy no mampikorosy ny fianakaviana iray satria lany vola, tsy zarizary ny fanabeazana sy ny fametrahana rafitsaina ho an'ilay zanaka... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Tsy mitovy ny lahy sy ny vavy ; ny lahy dia manao hetsika ary maleho-tena, ny vavy kosa dia olon'ny teny sy ny serasera. Ny vehivavy dia mila ny hafa kokoa, afahany maneho sy mizara. Rehefa manilika ny tenany ny vehivavy dia lasa tsy mahatoky tena, ary tsy mahatsapa ny hasiny intsony. Ireo mahatsiaro tena ho voahilika, tsy mahatoky tena dia mila tantsoroka fanohanana mba afahany mijoro... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mizotra araka ny lamina namaritana azy amin'izao fotoana izao ilay fifaninana karakarain'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasiônaly ho an'ireo tantsaha mandraharaha amin'ny fihariana tantely voafantina ho amin'izany. Tanjona amin'ity fifaninanana ity moa ny hitiliana ireo tantsaha mendrika manana hetaheta ampiroborobo ny orinasany amin'izay fihariana tantely izay sy ahamatihaninna azy ireo amin'izay sehatr'asa izay...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco