Niabo ny vokatra azo tamin’ilay tetik’asa niarahan’ny Réseau SOA sy ny tambazotra iraisam-pirenena hoan’ny Fanofanana Ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra na ny RI-FAR nanatanteraka. Tetik’asa nandritra ny roa taona nanomboka ny volana septambra 2023 ary nifarana ny volana septambra lasa teo...

Ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpikambana indrindra fa ny tanora tamin’ny alalan’ny sehatr’asa miisa telo no tanjona nokendrena. Tratra ny tanjona hoy ny tompon’andraikitra nandritra ny tafa hoan’ny mpanao gazety nanehoana ny vokatra azo tao anatin’izay roa taona izay. Nohamafisina ny fandraisan’andraikitry ny tanora ka isan’ny navitrika tamin’ny fandraisan’anjara tamin’izany ny vehivavy. Natsaraina koa ny hay tarika hoan’ny tanora mpikambana hoy Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Rijaharilala tompon’andraikitry ny tetik’asa.

Tafita tany amin’ireo tanora nahazo tohana ara-piofanana avy amin’ny tambazotra iraisam-pirenena misehatra amin’ny fampiofanana amin’ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR sy ny Réseau SOA ny fahaza-manao noratovin’izy ireo. Nahita tombotsoa ireo tanora nampihatra ny fambolena miaro ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny rano tao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza ato amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Afapo tamin’ny tohana natao i Natolotra monina ao Ambohiboahangy, kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza.

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...