Aina hoan’ny zavamananan’aina, tsy ankanavaka rehetra ny rano, raha olombelona koa tsy afa-miala aminy. Misedra olana momba ny rano nefa isika ankehitriny, na an-tanandehibe na ambanivohitra. Nivoaka tamin’ny fahanginana ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana na ny OSCEAH manoaloana ny toe-java-misy eto amin’ny firenena...

"Ny fitantanana mangarahara sy ara-drariny ny sehatry ny rano, ny fidiovana ary ny fahadiovana » mandritra ny fitondrana tetezamita". Io no lohahevitra noraisin’ireo firaisamonim-pirenena miisa 85 misehatra eo amin’ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana namoahan’izy ireo fanambarana sy taratasy misokatra ho an’ny mpitondra ankehitriny.

Takian’izy ireo ny tsy aharava ny atrik’asa sy famatsiambola teknika izay ataon’ny mpiara-miombon’antoka amintsika. Tokony hatao lohahevitra eto amin’ny firenena ihany koa ny rano amin’ny maha fitakiana niainga teny an-kianja azy araka ny fanambarana.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...