Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny tantsaha mivondrona ao amin’ny fikambanana MIARA-MIZOTRA ao amin’nydistrikan’Ambatoboeny ankehitriny. Miatraika amin’ny famokaran’ny tantsaha any amin’iny faritra Boeny iny mantsy ny
fiovan’ny toetr’andro misy ankehitriny. Azo atao tsara nefa ny miatrika izany amin'ny fampiasàna ireo tekinika fambolena miaro ny tontolo iainana na ny Agroécologies. Zavatra maro no tombony azo avy amin'ny fampiharana azy io dia ny nofon-tany maharitra sy mihatsara hatrany, vokatra mahasalàma, maharitra vao simba rehefa tahirizina. Antony nahatonga ny fikambanana “MIARA-MIZOTRA” ifototra bebe kokoa amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo....

.Mifototra amin’ny fiarovana ny nofon-tany ny sehatr’asan’ny fikambanana. Manakely ny tany famokarana mantsy ny fisian’ny fahasimban’ny nofon-tany any an-tendrombohitra. Ampianarina ny fomba ikarakarana ny tany karakaina mba hivadika mamokatra koa ny tantsaha. Marolafy ny fomba entin’ny fikambanana Miara-mizotra manentana ny tantsaha amin’izay ady atao amin’ny fiovan’ny toetr’andro izay, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy hoy Andriamatoa RANDRIAZAFISON Tsitohaina filohan’ny fikambanana MIARA-MIZOTRA ao Ambatoboeny.

 

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...