Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny tantsaha mivondrona ao amin’ny fikambanana MIARA-MIZOTRA ao amin’nydistrikan’Ambatoboeny ankehitriny. Miatraika amin’ny famokaran’ny tantsaha any amin’iny faritra Boeny iny mantsy ny
fiovan’ny toetr’andro misy ankehitriny. Azo atao tsara nefa ny miatrika izany amin'ny fampiasàna ireo tekinika fambolena miaro ny tontolo iainana na ny Agroécologies. Zavatra maro no tombony azo avy amin'ny fampiharana azy io dia ny nofon-tany maharitra sy mihatsara hatrany, vokatra mahasalàma, maharitra vao simba rehefa tahirizina. Antony nahatonga ny fikambanana “MIARA-MIZOTRA” ifototra bebe kokoa amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo....

.Mifototra amin’ny fiarovana ny nofon-tany ny sehatr’asan’ny fikambanana. Manakely ny tany famokarana mantsy ny fisian’ny fahasimban’ny nofon-tany any an-tendrombohitra. Ampianarina ny fomba ikarakarana ny tany karakaina mba hivadika mamokatra koa ny tantsaha. Marolafy ny fomba entin’ny fikambanana Miara-mizotra manentana ny tantsaha amin’izay ady atao amin’ny fiovan’ny toetr’andro izay, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy hoy Andriamatoa RANDRIAZAFISON Tsitohaina filohan’ny fikambanana MIARA-MIZOTRA ao Ambatoboeny.

 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...