Singa anisan'ny mamparefo ny tanora maro amin'ny ady amin'ny fihanaky ny tsimok'aretina Vih/Sida ny fidorohana sy fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina. Miteraka voka-dratsy maro ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina. Tsara ny hafantaran'ny daholobe ny atao hoe "zava-mahadomelina", tahaka ny ahoana izany tafaroboka amin'ny fiankinan-doha. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny mitaiza dia  fampitana fahalalana ho tonga ho fahaizana ka ahazoana marim-pahaizana ary ahafahana miasa ; ny fanabeazana dia manomana olona ho tompon'andraikitra. Ny olona notezaina dia olona novolavolaina ho tompon-toerana, ary matetika tsy manome lanja ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny voambolana "teny" dia toa ny "aina", porofon'izany ilay fomba fiteny hoe : manapa-teny manapak'aina ; amin'ny maha kristiana ihany koa : ny teny dia tao amin'Andriamanitra ary Andriamanitra dia teny, izay nahariana an'Andriamanitra an'izao tontolo izao. Ny teny dia fitaovana entina mifandray, afahana mifanabe. Ny malagasy dia anatin'ny firenena iray ary ampiraisin'ny teny ; ny teny malagasy dia harena, mitahiry kolontsaina. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny "aphte" dia aretin'ny ati-vava, fery tsy lalina, tsy mandeha ra, tsy mamindra. Ny faritra mety hisy azy : lela, atin'ny takolaka, ankanjo-nify, lanilany, ati-tenda ; ny endriny dia boribory mavo na volon-davenona, voadidina mena. Ireo antony mahatonga azy : ati-vava voakitika matetika, vokatry ny fampiasana anesthésie, ny fihinanana sakafo mamay loatra, fampiasana borosy-nify mahery loatra, reraka, tratran'ny hitakitaka, fikorontanan'ny tsirim-panentana, tsy fahazakana fanafody. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Misedra olana ny tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo anatin'ny faritry ny kaominina Antaniditra sy ny Kaominina Analasoa ao amin'ny distrikan'i Moramanga. Mangataka ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy hampiato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany fiveloman'ireo tantsaha ireo ny Pretra sy ny mpikamban'ny Birao mpandrindra ny Justice et Paix ao amin'ny Distrika misionera Amboasary-Gara, Diôsezy Moramanga...

Ao anatin'ny vatana tomady no misy ny saina matsilo. Misy ny mari-drefy ara-pahasalamana manamarina ny fahasalaman'ny vatana toy ny tahan'ny tosi-dra [8-12], eo koa ohatra ny lanja ara-pahasalamana na ny IMC [18,5 - 25], eo ihany anefa ny fitiliana. Rehefa manana vatana salama ny vahoaka dia mandroso ny firenena. Misy toetra azo anamarihana ny hoe manana saina matsilo : tia karokaroka, afaka miaina ny zavatra misy, fahafahana mipetraka amin'ny toeran'ny hafa... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny fanantenana dia ilaina eo amin'ny fiainana mba hisian'ny fivoarana. Ny fanantenana dia mametraka tanjona mandrakariva, koa manàna àry fanantenana eo amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Misy teboka 8 azo anabeazana ny zanaka mianatra hahay mizaka-tena, sy teboka 3 hatonga azy ho tompon'andraikitra, ireo dia samy mifantoka kokoa amin'ny fanabeazana. Ny mahay dia mahafehy ny fahalalana iray nampianarina ny olona iray ary lasa fahazarany. Ny mizaka tena dia tsy miandry tohana avy amin'ny hafa fa izy tenany no mikaroka hevitra hamahany ny olany sy mampiatra izay nianarany manoloana ny tranga iray. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Manohana fikambanan'ny tantsaha eto Madagasikara anatevina ny sehatr'asany amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra ny tambazotra iraisam-pirenena misehatra amin'ny fampiofanana amin'ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR. Voafidy anatanteraka ny tetik'asa FI-FAR eto Madagasikara ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA...

Rotoroto, fanatontoloana no manjaka amin’ny fiainantsika ankehitriny. Miha ratsy ny fifandraisana eo amin’ny maha olona. Anisan’ny antoka manatsara ny fiaraha-monina sy ny fifandraisana ny fisian’ny Hasina eo amin’ny tsirairay. Raha mahay manome Hasina ny tenanao ianao, dia azo antoka fa manome lanja anao ny hafa sy ny manodidina... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo dia aretina azo avy amin'ny fifampikasohan'ny taovam-pananahana ary mifindra amin'ny taovan'olona iray. Ny ra mifampikasoka ihany koa dia mety ho fomba hifindran'ity aretina ity, fa misy koa ny tsiranoky ny taovam-pananahana. Mety mifindra amin'ny zaza entina am-bohoka ny aretina ao amin'ny reny bevohoka. Ny fifanorohana amin'ny vava ihany koa dia mety hamindra aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny mialohan'ny diabeta dia tsy misy fambara mazava ho an'ireo olona manana olana diabeta sokajy faharoa (type II), izay 5 hatramin'ny 10 taona eo ny fihomboany. Ny "pré-diabète" dia amin'ny alalan'ny fitiliana no hamantarana azy ; ireto misy tokony ho fantatra : ny voalohany manao "glicemie à jeûne" tsy misakafo ao anatin'ny 8ora ka [1,10g/l - 1,25g/l] na [6,1mmol/l - 7,1mmol/l ] ny taha, ny faharoa fitiliana "intolerance au glucose".  Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...