Mbola iharan’ny olana amin’ny fizakana tany ny ankamaroa’ireo vehivavy tantsaka eto amintsika. Maro koa ny olana hafa mitranga. Nivoitra nandritra ny fanatevena-pahalalana momba ny tontolon’ny fananan-tany nandraisan’ny solontenan’ireo tantsaha ao amin’ny Réseau SOA avy amin’ny faritra miisa efatra dia ny eto Analamanga, ny any Boeny, Matsiatra Ambony ary Bongolava sy ny tantsaha avy amin’ny FIFATA avy any Ihorombe, Vakinakaratra ary Itasy...

Nizara ny traikefany sy ny fahalalany momba izany moa ny avy ao amin’ny Sehatra Iombonana amin’ny Fananan-tany na ny SIF. Nizara ny fahalalany toa izany koa ny avy amin’ny THINK TANY, nanao fanadihadiana manokana momba ny vehivavy sy ny fananan-tany. 

Manome lanja ny sehatry ny fananan-tany ny Réseau SOA nandritra ny 20 taona mahery nijoroany izay. Antoky ny famokarana eny ambanivohitra izy io hoy ny filohany, RAZAFIMBOLOLONA Angeline.

Nahafahana nanatevina ny fahalalana momba ny tontolon’ny fananan-tany ny fihofanana hoy kosa Ramatoa RASOAMIADANA Josiane avy amin’ny FIFATA any IHOROMBE.

Nandritra ny telo andro ny fihofanana narahan’ireo tantsaha mivondrona ao amin’ny Réseau SOA sy ny FIFATA momba ity fananan-tany ity ny volana oktobra teo. Tamin’ny alalan’ny tetik’asan’ny AGRICORD, FO FS, vatsian’ny GIZ vola, ary tanterahan’ny Réseau SOA sy ny AFDI ary ny FERT hoan’ny FIFATA no nisitrahan’ireo tantsaha ireo io fiofanana momba ny fananan-tany natao teto an-drenivohitra io.

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...