Miroborobo etsy sy eroa ankehitriny ilay karazana fampiofanana atrehan'ny olona maro na ny " formation de masse". Tsy voafaritra mazava anefa ny fepetra maha fampiofanana azy,indrindra fa ny lasi-panofanana.
Ny tratra dia tokony tsy hisy fanaintainana mihitsy, ary tokony tsy hisy hanelingelina ny fiaina. Ny tratra dia tsy azo orina ; ny fanaintainana eo amin'ny tratra dia tsy aretina fa fambaran'aretina : mety ho olan'ny fo, avokavoka, taovam-pandevonan-kanina. Ny dona am-bona ihany koa anefa mety hiteraka fanaintainana eo amin'ny tratra fa ny tsara indrindra dia ny fanatonana mpitsabo. Mety ho vokatry ny sita ihany koa io fanaintainana io. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Misedra olana ny lalam-pihariana kabaro izay isan'ny ifotoran'ny tantsaha mivondrona ao amin'ny FITAME na ny Firaisantsoan'ny Tantsaha Menabe. Federasiôna misehatra amin'ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra any amin'ny Faritra Menabe iny moa ny FITAME.
Tsikaritra ankehitriny fa miaina anaty korontana, tsy fandriam-pahalemana,fifampiantsiana ary indrindra ny herisetra amin’ny endriny maro ny ankamaroan’ny Malagasy, misy aza no mahavita mandatsa-drà mihitsy. Manoloana ireo tranga ireo, dia tsapa fa fotoana ampahatsiahivana ny atao hoe : Fihavanana Malagasy izao, ary iverenana amin’ny tena fototr’izany soatoavina manana ny maha-izy azy izany. Ny Fihavanana, araka ny famariatana anakapobehany, dia mifototra amin’ny aina. Koa ho an’ny Malagasy, ny aina no mampihavana ny tsirairay, izany hoe : iray aina avokoa ny olombelona. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Fandaharana nitety vanim-potoana maro ny "mba ho vanona", niatomboka tamin'ny fandaharana "fitiavana sy ny tontolony" ary ny "E.V.A". Mpanetana nanao ny ezaka nampanjary ny fandaharana Andriamatoa Flavien Rakotoarison, efa naharitra 28 taona no nanaovany izany asa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Zava-dehibe ny andraikitry ny raim-pianakaviana, manana ny lanjany amin'ny lafiny fanabeazana ny zanany sy ny fiahiana ny ankohonana, ny lafiny ara-pahasalamana. Toetra tsara ananan'ny raim-pianakaviana, ny toetra amam-pihetsika mahatarika, mba haresy lahatra ny fiaraha-monina afahana mampivoatra ny sehatra misy azy ireny. Ny raim-pianakavina dia fitaratra sy ohatra eny amin'ny fiaraha-monina, mpandala ny firaisan-kina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny olon-dehibe dia 32 isa ny nifiny. Ny areti-nify dia mety hiteraka olana amin'ny fandevonan-kanina sy endrika. Ny fiatombohan'ny areti-nify dia ny tsy fahadiovan'ny ati-vava. Ny areti-nify dia mety hatonga olana any amin'ny fo sy ny voa. Ny fisorohana ny areti-nify dia ny fanadiovana ny nify sy ny ati-vava, indrindra rehefa mihinana zavatra mamy. Miteraka fofona ratsy ao am-bava ihany koa ny areti-nify. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Misedra olana amin'ny fanondranana ny vokany ny kaoperativa Taratra avy Analanjirofo amin'izao fotoana izao. Manomboka miditra amin'ny fanondranana ny voly fanondrana ifotoran'izy ireo mantsy ity kaoperativa ity ankehitriny saingy betsaka loatra hoy ny tompon'andraikitra ny pitsopitsony vola aloa noho ny lamina misy.
Ny fialan-tsasatra dia fotoana ialàna amin’ny zavatra mahazatra, na hisitahana ny toeram-ponenana mihitsy aza ho an’ny ankamaroan’ny olona. Mandritra io fotoana io dia maro no mieritreritra fa fety lava ny fiainana, hany ka manadino ny fitondran-tena mendrika. Ny VIH/SIDA anefa dia misoko mangina na dia tsy hita taratra ety ivelany aza. koa ilaina hatrany ny fahamailoana, koa hamporisihana ny tsirairay amin’ny fanajana ny vatana sy ho tompon’andraikitra amin’ny safidiny. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Manana ny lanjany ny safidy eo amin'ny fiainantsika manokana, sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny safidy dia fomba fifandraisan'olona roa, napetrak'Andriamanitra, na sehatra roa samihafa, ka hahitana vokatra tsara ho an'ny andaniny sy fahafahampo ho an'ny ankilany ; taratra ao anatin'izany ny fifanajana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Hatsarana ny fanabeazana dia mila mametraka tontolo misy fifampitokisana, atao mazava ny lalana haleha, maneho fandrisiana ny olona tarihana. Misy fepetra avy amin'ilay olona mpitarika mba ahafahany mandresilahatra ny olona entiny. Ny mpitarika dia tokony hanana fahamatorana, saina misokatra, fahaizana miara-miaina amin'ny olona, fahaizana mankasitraka, atao mifanahaka amin'ny fihetsika ny hafatra tiana hampitaina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny vay dia fisian'ny otrik'aretina iray atao hoe "staphylocoque doré" ao amin'ny foto-bolo, izay mamotika ny foto-bolo ary mamorona nana ; amin'ny vatana rehetra dia mety hisy io vay io. Ny sokajin-taona rehetra dia mety ho voakasik'ity vay ity. Ny "staphylocoque doré" dia hita eny amin'ny rivotra maloto, vovoka, anaty rano, entin'ny sakafo hoanina. Mety hifindra amin'ny fifampikasohana ny vay. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco