Manafaingana ny asa fanarenana ny ala hoko simba ao amin’ny faritr’i Sofia ny orinasa Bôndy amin’izao fotoana izao. Mafy ny tsindry nahazo ny ala honko isan’izany ny tao Ambilanibe, kaominina Ankerika. Mirefy 48 hektara ny ala honko simba hatramin’ny 80 isanjato, tapahan’ny olona nanaovana arina fandrehitra. 150 gony isan’andro mantsy ny harina fandrehitra vita amin’ny honko mamatsy an’Antsohihy. Mba hanonerana izany, manana toeram-pambolen-kazo hoko ao Malako fokontany Ambolobozo, kaominina Ambodirano ao amin’ny distrikan’Antsohihy ny orinasa...

Mandray an-tanana ny fanarenana ny ala honko simba eto amintsika ny orinasa Bôndy amin’ny alalan’ny tetik’asany Ma Honkô. Nahitam-bokany ny asa natao na dia vao roa taona monja aza no niasany tao amin’ny faritr’i Sofia. Ala honko simba 600 Hektara no novolena honko vaovao. 90 isanjato ny tahan’ny fahaveloman’ny zanaka hoko voavoly.

Hafainganana ny asa hatao. Iray alina hektara no hovolena ao anatin’ny 5 taona. Distrika telo no iasan’ny orinasa ao amin’ny faritr’i Sofia: Antsohihy, Analalava ary Port Berger, miparitaka any amin’ny kaominina miisa folo. Tanàna miisa 57 no misitraka izay asa fiarovana ny karazan-java-mananan’aina izay.

Tsy mijanona eo ihany fa miantoka ny fahavelomana sy ny ny fidiram-bola maharitry ny mponina sy ny asa taoraharaha eny ifotony ny sehatr’asa ataon’ny orinasa Bôndy. Isan’ny ahazoana vokatra tsara amin’ireo kaominina iasana ny ao amin’ny kaominina Befotaka Avaratra, distrikan’Analalava. Nambaran’ny ben’ny tanàna Madamo Françoise fa maro ireo tetik’asa ifotony nifampidinihana tamin’ny orinasa Bôndy, isan’izany ny fiompiana, ny fambolena ary ny fotodrafitr’asa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...