Hankalaza ny andron'ny 8 marsa, andro  iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy ny vehivavy. Tsy diso anjara amin'izany ny malagasy vehivavy tantsaha. Any Toamasina no hanaovana ny hetsika ôfisialy ; maro ny hetsika hanehoana izany... Maro ireo fikambanam-behivavy misiki-ponitra miantsehatra amin'ny fampivoarana ny famokarana any amin'ny toerana misy azy na ny famokarana tantanam-pianakaviana eto Madagasikara.

Tsy vitsy amin'izy ireny no misehatra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana : FVTM sy ny FARM.

Lohalaharana amin'izay fampandrosoana ny eny ambanivohitra izay ny Federasiôn'ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara na ny FVTM. Fikambanam-behivavy 600 mahery no mivondrona ao amin'ny FVTM. 22 taona izao no nijoroany. Antom-pisian'ny FVTM ny mampiofana ny vehivavy mikambana ao aminy, mampafantatra ny zony ary mampandray andraikitra azy ireo amin'ny maha olom-pirenena ny vehivavy tantsaha.

Fikambanana niorina taona vitsivitsy teo ho eo koa ny Femme en Action Rurale de Madagascar na ny FARM. Mamondron-kery miaro ny tontolo iainana sy mitaky ny rariny sy ny hitsiny amin'n lafiny rehetra ho an'ny vehivavy tantsaha ireo vehivavy miantsehatra eny ambanivohitra eto Madagasikara ireo.

Nisy ny hetsika nataon'ny FARM teto an-drenivohitra, nanentanana ny olon-drehetra tamin'ny alalan'ny Foara ho an'ny ekôlôjia mba handray andraikitra manoloana ny voka-dratsin'ny fiovaovan'ny toe-tany noho ny fiovaovan'ny toetr'andro amin'ny fiainan-janak'olombelona.

Source photo : Accueil Femmes Action Rurale de Madagascar.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...