Mitohy ao amin'ny Kaominina Ambohitsilaozana, Ambohidava ary Imerimandroso any amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro ny fandrakofana ala ny tetezan'ala Ankeniheny Zahamena ataon'ny Foibe FAFIALA. Tetik'asa dingana faharoa nankinin'ny Conservation Internationale amin'izy ireo...

 Mifototra bebe kokoa amin'ny fambolena hazo ity dingana faharoa ity. Velaran-tany 1000 Ha mahery no rakofana ala, ka ampahany voalohany ny 700 Ha mahery ary ampahany faharoa kosa ny 400 Ha mahery. Hazo zanatany no hambolena ka zana-kazo 2.000.000 isa mahery no vokarin'ny FAFIALA sy ny vahoaka manodidina hanatanterahana ny asa.

Iarahana amin'ny mponina manodidina ny tadavan'ala ankeniheny Zahamena ny fambolena ireo hazo ireo araka ny fanazavan'ny lehiben'ny tetik'asa sady tale mpanatanteraka ao amin'ny FAFIALA, Raveloarijaona Nonah ny mampiavaka ny tetik'asa :

Miabo ankohatr'izany ny vokatra azon'ny Foibe FAFIALA tamin'ny tetik'asa fandrakofan'ala nataony tao amin'ny Faritra Sofia nampiatsorohan'ny tetik'asa PADAP azy ireo. Nifarana moa ny 5 taona niasan'ny tetik'asa PADAP, tetik'asa ho an'ny famokarana maharitra mitsinjo ny tontolo iainana.

30 taona mahery niantsehatra amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra sy ny fiarovana ny tontolo iainana ny FAFIALA.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...