Efa mahatsapa ny mahazava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny famokarana ilofosan'izy ireo ny tantsaha mivondrona ao amin'ny vovonam-pikambanana Filamantra Soa Iombonana na ny FISOI sy ny SOAMITSINJO ato amn'ny Faritra Analamanga. Samy mpikambana ao amin'ny Réseau SOA avokoa ireo fikambanana ireo. Misy hatrany isan-taona ny fambolen-kazo faobe ataon'izy ireo.

Tonga maro tao amin'nyh kaominina ambanivohitra Atambolo Distrika Arivonimamo Faritra Itasy ny mpikambana tao amin'ny FISIO ny faha-9 febroary 2024 namboly hazo. Toa izany koa ho an'ny SOAMITSINJO ny 31 janoary 2024 ka tao Ambohiboahangy, kaominina Antanetibe Mahazaza indray izy ireo no nanao ny fambolen-kazo faobe.

Tanjon'ny fambolen-kazo ataon'ny tantsaha ao amin'ireo vovonam-pikambanana roa ireo ny fandraisan'anjara amin'ny fanamaitsoana ny tontolo manodidina ahafahana miatrika ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan'ny toetr'andro. Zana-kazo efatra karazana, oliva, kafe, acacia ary freine, 3000 fototra no novolen'ny tantsaha aoa amin'ny FISIO tamin'ny velaran-tany 3,5Ha ho an'ny tao Atambolo.

Miisa 18 ny Fikambanana fototra mivondrona ao amin'ny FISOI, miparitaka amin'ny Faritra efatra. Mpiara-miombon'antoka amin'izay fambolen-kazo ataony izay ny tetik'asa FFF FAO iarahana amin'ny Réseau SOA.

Mahatratra 95% ny taham-pahaveloman'ny zanakazo novolen'ny FISIO. Misy ifandraisana amin'ny famokarana ny hanaovana ny fambolen-kazo hoy Andriamatoa Randrianarisoa Dina Herinjaka, teknisiana ao amin'ny Filamatra Soa Iombonana na ny FISIO.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...