Fambolena miaro ny tontolo iainana : mahaliana ny tanora Tafita any amin’ireo tanora nahazo tohana ara-piofanana avy amin’nytambazotra iraisam-pirenena misehatra amin’ny fampiofanana amin’ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR sy ny Réseau SOA ny fahaza-manao noratovin’izy ireo.Nahita tombotsoa ireo tanora nampihatra ny fambolena miaro ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny rano tao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo
ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza ato amin’nydistrikan’Ambohidratrimo.

Manohana fikambanan’ny tantsaha eto Madagasikara anatevina ny sehatr’asany amin’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra moa ny RI-FAR.

Isan’ny voafidy anatanteraka ny tetik’asa tohanany eto Madagasikara ny tambazotra Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Mandalo eto Madagasikara manao tombana ny asa natao tamin’ny alalan’ny tetikasa notohanany ny iraky ny RI-FAR avy any Frantsa, ka isan’ny notsidihana androany ny famokarana ataon’ireo tanora ao Antanetibe Mahazaza. Afapo tamin’ny tohana natao i Natolotra monina ao Ambohiboahangy sy Njaka ao Berambola.

Ny fampiofanana tanora mpamokatra handray andraikitra sy anamafy orina ny fahaiza-manao amin’ny lafiny fisoloan-tena sy amin’ny lafiny fanatanterahana ny fambolena mikajy ny tontolo iainana na ny agro-écologie no lohahevitra nosafidiana tamin’ny tetik’asa notohanan’izy ireo hoan’ny Réseau SOA. Tanora 60 volavolain’ny Réseau SOA avy amin’ny faritra 13 misy azy no misitraka tombotsoa amin’ny tetik’asa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...