Mbola mampiasa harina fandrehitra sy kitay amin’ny fahandroana sakafo ny 90% ny tokantrano malagasy eto amintsika. Mihazakazaka vokatr’izany ny velaran’ala ringana eto amintsika.

 

Araka ny tarehimarika, 7 tapitrisa m3 isan-taona ny fampiasana harina fandrehitra eto amintsika raha toa ka 21 tapitrisa m3 ho an’ny kitay ka ny mponina eny ambanivohitra ny ankamaroany. Ambony be io filana io. Sady manimba tontolo iainana no misy fiantraikany amin’ny fahasalamana ihany koa. Manampy trotraka ny fandorana ala. Miteraka ny fiovan’ny toetr’andro ny fihenan’ny ala miandalana noho izay fampiasana azy mihoapampana amin’ny angovo ampiasaina izay. Toa izany koa eo amin’ny famokarana ka voakasika avokoa na ny fambolena na ny fiompiana na ny jono.

hrk 20250320 B

Mahatsapa ny mahazava-dehibe izay fiarovana ny tontolo iainana izay ny tantsaha mivondrona ao amin’ny Filamatra Soa Iombonana na ny FISOI ao amin’ny Kaominina Mahitsy sy ny SOAMITSINJO ao Antanetibe Mahazaza, samy ato amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Nanatanteraka fambolen-kazo iombonana na faobe tamin’ny tanin’ny mpikambana izy ireo ny 6 marsa sy ny 7 marsa 2025. Ho an’ny FISOI manokana, tao amin’ny Fokontany Bejofo, ao amin’ny Kaominina Mahitsy izy ireo no nanao izay fambolen-kazo izay ny 7 marsa. Ny 90%-n’ny mponina ao dia tantsaha mampiasa ny kitay ho angovo fandrehitra avokoa. Fambolen-kazo notohanan’ny FFF FAO tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa tamin’ny Réseau SOA.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...