Nanapa-kevitra hividy ny tahirim-barin'ireo tantsaha sy ny mpanangom-bokatra ny orinasam-panjakàna SPM, eo ambany fiahian'ny ministeran'ny varotra sy ny fanjifàna, ho fitsinjovana ireo tantsaha mpamokatra manoloana ny fidinan'ny vidim-bary. Isan'ny misitraka izany ny ao amin'ny tompon'andraikitra sy ny tantsaha ka niafara tamin'ny dinika nanapahan-kevitra tao Imerintsiatosika. Nambaran'ny solombavambahoaka Ranarivelo Lucien fa latsaka ambany noho isan-taona ny vidim-bary tany amin'ny tantsaha tamin'ity taona ity ka maty antoka ireo nanao tahiry tany an-tsopitra...

Antony nahatonga izany ny fitobahan'ny vary nafarana avy any ivelany teny amin'ny tsena . Tafidina hatrany amin'ny  850 na 900 Ariary vokatr'izany ny kilaon'ny vary akotry ; tranga tsy fahita tany amin'ny Faritr'i Bongolava nandritra ny taona maro. Tsy nitsahatra nanaitra ny fitondram-panjakàna ny solombavambahoaka hoy ny solombavambahoaka Ranarivelo Lucien ka nahatonga ny fihaonana tao Imerintsiatosika.

Manentana ny tantsaha ao amin'ny Faritr'i Bongolava sy ny tantsaha tsy ankanavaka ary ireo mpisehatra amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra ho vonona hiatrika ny fikaonandoham-pirenena ny solombavambahoaka voafidy tao amin'ny distrika Tsiroanomandidy.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...