Nangingina tato ho ato, tao anatin'ny taona maro ny fivoizana ny voly vary SRI eto Madagasikara. Manohy ny sehatr'asany hatrany anefa ireo mpandala ity teknika fambolem-bary ity eto amin'ny nosy saingy tsy mba misy mpahalala ny asa ataony. Mivoatra ny haitao entina ampiroboroboana ny voly vary SRI saingy tsy heno firy ihany koa ny tohiny. Isan'izany ilay milina fanetsana mampiasa ny teknika bata-tany noforonon'ingahy Gislain Raharinaivo, injeniera momba ny fambolena miara-miasa amin'ny orinasa atsy Afrika...

Efa nanaovana andrana tany amin'ny Faritra samihafa teto amin'ny nosy ny teknika voly vary bata-tany miaraka amin'ny fanetsana amin'ny milina. Resy lahatra ireo tantsaha nandritra izany fa mora atao kanefa zakan'ny fahefa-mividy ihany koa ny fandaniana miohatra amin'ny fambolem-bary nentim-paharazana.

Paik'ady hirosoana amin'ny fampiakarana ny voka-bary. Raha 2,5 taonina isaky ny Hektara, mantsy ny voka-bary amin'ny ankapobeny dia azo atao tsara ny mampitombo ny vokatra hoa 6 hatramin'ny 8 taonina isaky ny Hektara, amin'ny falmpiasàna ny teknika vao voly vary bata-tany miaraka amin'ny fanetsana amin'ny milina.

Niara-niasa, nikaroka ny fomba hanampiana ny tantsaha hampihenana ny fahasahiranany sy hanatsarana ny famokarany mba hatratrarana ny fahavintantena ara-bary ny Malagasy teknisiana, ny mpikaroka, ny Fanjakàna. Isan'izany ny milina fanetsana, mampiasa ny tavy bata-tany (Germoire Biodegradable). Haitaom-pamokarana, fikarohana nataon'Andriamatoa Gislain Raharinaivo, injenieran'ny fambolena.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...