Miroborobo ao amin'ny Faritra Vakinankaratra ankehitriny ny teknika fambolem-bary P-Dipping. Teknika novolavolain'ny tetik'asa Fy-Vary izay efa andiany faharoa amin'izao fotoana izao. Tetik'asa iarahan'ny governemanta malagasy sy governemanta japôney miasa ary vatsian'ny sampan-draharaha japôney momba ny fiaraha-mias iraisam-pirenena (JICA) vola. Manatsara ny voka-bary amin'ny tany manta tsy ampy zezika sy manafaingana ny fitombon'ny vary mba tsy ahatratrarany ny fotoan'ny hatsika ny P-Dipping...

Teknika fampiasa ho an'ny vary an-drano ihany sy ho an'ny tanimbary tsy ampy kasinga faosifaoro toa ny aty an'ivon-tany. Miteraka fahavitsian'ny zana-bary, mampiadana ny fanirian'ny vary ary fahambanian'ny vokatra azo ny tsy fahampian'io kasinga io. Mavitrika amin'ny fampiasana ny teknika ny tantsaha mpamboly vary ao amin'ny Faritra Vakinankaratra.

Mahatratra 7.000 ny isan'ny tantsaha nahazo fiofanana amin'ny teknika P-Dipping amin'ireo distrika mandrafitra ity Faritra ity. Azo tsapain-tanana hoy ireo tantsaha mampihatra ny teknika ny vokatra azo amin'ny fampiharana azy sy ny fomba fambolem-bary nahazatra azy ireo hatramin'izay. Isan'izany Andriamatoa Randrianjafy Gilbert, mpamboly vary ao Talatakely Fihaonana, Kaominina Andravola, Distrika Ambatolampy sy Ramatoa Rasoazanamavo Voahangy monina ao amin'ny kaominina Andriambalany.

Tsy vitan'ny mihena ny fandaniana fa mitombo sy mamelana haingana ihany koa ny vary ary manaraka izany koa ny fahavokarany. Tsy mitovy amin'ny voly vary nahazatra hatramin'izay izy ity hoy Andriamatoa Valiarison Jean, mpamboly vary monina ao Antsaha Fokontany Amboniriana, Kaominina Andriambilany, izay isan'ny tantsaha resy lahatra nampiasa ny teknika P-Dipping ihany koa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...