Noho ny tsy fahampian'ny lalan-drano hamoahana rano no tena antony mahatonga ny trano ho mando lava, na vanorenana eny amin'ny toerana akaiky rano, na trano tsy ampy rivotra sy hazavana. Ny hamandoana ao an-trano dia misy fiatraikany amin'ny fahasalamana ; maro ireo bibikely, tsimok'aretina dia mora velona ao anatin'ny hamandoana. Maro ny olona sahirana rehefa tojo trano misy hamandoana dia ireo olona manana olana amin'ny taova fisefoana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.