Eny anatin'ny fiaraha-monina eny dia maro ny olona manana toe-batana somary manahirana dia ny kibo lehibe. Antony : Betsaka loatra ny "Kalôria" ampidirina amin'ny sakafo anefa tsy lany nampiasain'ny vatana ka misy tavy manodidina ny nofo sy ny oditra mandrafitra ny kibo, na manodidina ny taova hafa. Adika ho lehibe ny kibon'ny olona iray raha mihoatra ireto ny revin'ny hodidin'ny kibo (tour de taille) 88 cm vehivavy 102 ho an'ny lehilahy. Ilaina hatrany ny manatona mpitsabo mba tsy hiteraka olana hafa indray ireo fomba isan-karazany hanenana ny kibo. Ny ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tsy nitsahatra nihena ny vokatra tantely teto amintsika tao anatin’ny 30 taona mahery araka ny antontan’isa misy. Raha nahatratra 5 alina taonina ny vokatra tany amin’ny taona 90. Nidina hatrany amin’ny 4 arivo Taonina izany ny taona 2024... Miovaovao ihany koa ny vokatra tantely nahondran’i Madagasikara nandritra izay fotoana izay. Nisy àry ny dinik’asa nasionaly notanterahana teto amintsika hamerenana indray ny toerana misy ny tantely eto Madagasikara...
Volana jona : volan'ny ankizy. 12 jona : Andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Ho antsika eto Madagasikara dia ankizy efatra ao anatin'ny folo no efa niditra tamin'ny sehatry ny asa mialoha ny faha-18 taonany, araka ny fanadihadiana nataon'ny UNICEF. Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny amin'ny fitaizana ny zanany, indrindra eo amin'ny fampifandanjana ny fisitrahan'ny ankizy ny zony sy ny fanabeazana tsy maintsy omena azy ireo.
Ny fahafantarana ny tantara dia isan'ny kitro ifaharan'ny Firenena sy ny fampandrosoana. Ezaka tsara tokony hatao ny fampidirana eny amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana ny fampahafantarana ny tantaran'ny Firenena. Ny fananganan-tsaina dia mariky ny fahaleovan-tena, anefa isika ihany no tompon-tsafidy farany, na tena hiaina fahaleovan-tena tena izy isika na mbola hiankin-doha amin'ny hafa hatrany. Ny fifanajana sy ny fanajana dia fahendrena Malagasy, fototry ny fitiavana ary mahatsara ny rafi-piaraha-monina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Raha mijery ny tontolo iainantsika eto Madagasikara, indrindra ny ety andrenivohitra dia hita sy tsapa fa miana ao anaty loto ny mponina. Antony maro no mety mahatonga izany fa ny ho resahatsika anio dia mikasika ny “sachet plastique” sy ny fiantraikany amin'ny tontolo iainana sy ny fahasalaman'ny mponina, ny zava-misy momba ny fampiharana ny lalàna misy, ary ireo safidy maharitra sy mora ampiasaina hisolo ny plastika amin'ny fiainana.
Ny volana jona dia 30 andro ho fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena, ary indrindra ho an'ny teny Malagasy. Antom-pisian'ny 1 volan'ny teny Malagasy dia ny fanomezana hasina ny teny Malagasy. Ny tany, ny teny ary ny tantara dia mifandray ary mifamatotra amin'ny fiainan'ny firenena ary tombony afahana mampandroso sy hizorana any amin'ny fanavaozana. Anatin'ny volana jona no afahana maneho ny tena fitiavan-tanindrazana ka isan'ireny ny fananganan-tsaina Malagasy. An-dalana ho any amin'ny repoblika fahadimy isika anefa tsara ny mampatsiahy fa ny Lalàm-panorenana dia tokony hajaina sy omen-kasina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Somary sarotra ny famaritana ny aretina mahazo ny fo satria maro ny taova manodidina ity taova ity ary indrindra ao anaty tratra. Mila famonjena faran'izay haingana ny fanaintainan'ny fo satria 30 hatramin'ny 120 minitra ihany no afahana mamonjy ity olana mpahazo ny fo ity. Mety ho fanaintainana eo amin'ny hatoka, sandry havanana, valanon-drano no fambara amin'ny olan'ny fo, fa tsy voatery ny fo mivantana, noho izany vao misy ireo fambara ireo dia tokony hanantona toeram-pitsaboana.... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tsy manao ambanin-javatra amin’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely iantsorohan’ireo mpikambana ao aminy ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Nikarakara atrik’asa nandalinan’ireo mpikambana ao aminy ny lalam-pihariana fiompiana tantely ireo ny faha 4 sy ny faha 5n’ny volana may teo. Atrik’asa natao teto an-drenivohitra teny amin’ny FOFIKRI Ilafy Antananarivo Avaradrano...
Maro ny voka-dratsy vokatry ny fihinanana paraky sy fifohana sigara, amin’ny tena sy ny manodidina, tsikaritra fa miha tanora ny mpanjifa azy ireo. Mahatratra eo amin’ny 4000 eo ny karazana poizina entin’ny setroka sigara: hhatra nicotine, goudron, monoxyde de carbone, cyanure d’hydrogène; etsy ankilany ny paraky dia manana taha mihoatra lavitra ny nicotine ao anatin’ny sigara telo fohana. Mila fiaraha-mientana ny ady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny reny no tompon'andraikitra voalohany hampita amin'ny zanany vavy ny hahareny azy koa amin'ny ho avy. Noho izany, manana adidy izy hampiseho fahamendrehana amin'ny lafiny rehetra. Misy toetra fototra tokony hananan'ny reny dia ny fahamendrehana amin'ny lafiny fitafy, fihetsika, fiteny ary indrindra ny fahaiza-mihaino... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Manomboka ao anatin'ny vava ny taova fandevonan-kanina, lela, nify, tenda, aty, sarak'aty, vavony, tsinay. Antony mampikorontana ny taova : kalitao sy ny fatran'ny sakafo, matsiro loatra na mahatsatso loatra, sakafo matavy na tsy mahazatra, sakafo tsy sahaza, sakafo tsy zaka ; ankoatra ireo dia mety ho tsy fahasalamana mahazo ireo taova mandrafitra ny fandevonan-kanina, mety ho otrik'aretina, ny fisian'ny kantsentsitra ao anaty tsinainy. Isan'ny antony mampikorontana ny taova fandevonan-kanina ihany koa ny fikorontanan-tsaina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mandritry ny fanabeazana ireo ankizy sy zavatovo dia efa atomboka ny famolavolana azy ho amin'ny adidy sy andraikitra maha olon-dehibe sy ny ha-olon-dehibe. Raha fianakaviana tsy ampy fifaneraserana sy fifanankalozan-kevitra dia mety ho olana ho an'ny fanabeazana satria hahazo vahana kokoa ny toro-hevitra sadasada any amin'ny fiahara-monina ivelan'ny tokantrano. Ilaina araka izany ny fifankahazoana am-po eo amin'ny mpianakavy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco