Matetika eo amin'ny fiaraha-monina dia iniana tsy hita ireo fahasamihafana ara-tsaina eo amin'ny olona. Raha mbola kely ny zaza ka tsikaritra ireny fahasamihafana ireny dia azo atao tsara ny manampy azy ka hahatonga azy ho afaka hiara-miaina amin'ny olon-drehetra. Matetika ireny zaza hafakely ireny no lasa henatra ho an'ny fianakaviana na ahiliky ny fiaraha-monina. Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.
26 jona 1960 - 26 jona 2026 : 66 taona namerenana ny fahaleovantena ho an'i Madagasikara ; na misy aza ny tsindry avy any ivelany, hita taratra ny fijoroana sy ny fahasaratom-piaron'ny Malagasy mikasika ny fiandrianam-pireneny. Songadina tsara sy mamelona indray ny fanantenana ny fiaraha-mientana sy ny firaisankina tamin'ny fankalazana ny fetim-pirenena ; ny fitafiana no hita ety ivelany fa na eo aza izany, ny fo miray dia efa vinaky tamin'ny endrika mirana sy fomba fitafy isam-paritra, Malagasy tokoa, tia ny fireneny, tia ny kolontsainy... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Nanokana roa andro teto an-drenivohitra niadian-kevitra sy nanatevenana ny fahalalan’ireo tantsaha mpikambana ao aminy momba ny tsy fanilihana ny andraikitra rehetra eny ambanivohitra hoan’ny tantsaha sy ny momba ny fitantanana ny rano ny tranoben’ny tantsaha mpamokatra. Kaonferansa natao ny 18 sy ny 19 Jona teo...
Manamafy hatrany ny fandaharana fa ny fifanajana sy ny fanajana dia manana ny lanjany ary antoka mahatsara ny rafim-piaraha-monina. Ny raim-pianakaviana no fitaratra ho an'ny zanaka lahy ary manana adidy lehibe izy hampiseho toetra mendrika ho an'ny ankohonany. Sarobidy ny ray, lohan'ny ankohonana, mitarika sy manabe, izy noho izany no miantoka ny fahatsarana na fahapotehan'ny fiainan'ny fianakaviana manontolo. Mahatsara ny fiaraha-monina ny fihavaozana izay mitaky fahatsiarovantena amin'ny toe-javatra maro... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fahatsiarovantenan'ny tsirairay no fanohitra ho amin'ny fitiavan-tanindrazana. Isaky ny manao fanamarihana sy fankalazana ny fitsingerenan'ny taona namerenana ny fahaleovantena ho an'i Madagasikara dia misongadina hatrany ny teny hoe "fitiavan-tanindrazana". Ny atao hoe fitiavan-tanindrazana dia azo adika ho fitiavana an'i Madagasikara ; azo haseho amin'ny alalan'ny fitafiana, fiteny, kolontsaina, fanabeazana na zavatra na toetra amam-pihetsika hafa maneho ny maha Malagasy ny fitiavana ny Tanindrazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny hatoka manaintaina dia tsy fahasalamana mpahazo ny olon-dehibe matetika, mba tsy hiteraka olana ara-pahasalamana hafa dia tsara ny hanatonana mpitsabo matihanina "Rhumatologue - Osteopathe". Saropady ny hatoka, izay fitambaran'ny taolan maro miainga avy eo amin'ny fototry ny loha, ary ahitana nofo sy ozatra na retsika. Maro ny antony mahatonga ny fanaintainana amin'ny faritry ny hatoka : tosi-dra miaka-midina, niolam-pandrina, vodona, fibromyalgie (fanaintainan'ny ozatra sy ny nofo), sciatique... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mbola ambany ny tahan’ny vokatra ny ronono jifain’ny malagasy raha mihoatra amin’ny atsy Afrika sy ny any Eraopa. Tsy misy afatsy 7 kilao isan’olona isan-taona izany raha efa mahatratra hatrany amin’ny 60 kilao isan-taona isan’olona ny atsy Afrika. Isan’ny nivoitra izany androany nandritra ny fanamarihana ofisialy ny andro eran-tany hoan’ny ronono teny amin’ny zaridain’Antaninarenina ny 05 jona teo...
Ny fanomezan-drà an-tsitrapo dia fihetsika tsotra nefa mahavonjy aina maro. Zava-dehibe ny fahalalana ny fepetra sy ny fizotry ny fanomezana rà, ary koa ny tombontsoa entiny, mba hanesorana ireo ahiahy sy hevi-diso mbola misy. Amin’ny ankapobeny, afaka manome rà ny olona rehetra 18 hatramin'ny 70 taona , milanja 50kg fara-fahakeliny, ary mahatsiaro salama. Ny toe-pahasalamana , ny "voyage" izay natao ary ny tantara ara-pahasalamana vao haingana (antécédents médicaux récents) , dia tombanana amin’ny alàlan’ny fanontaniana apetraka amin’ny fanomezana rà.
Ny kolontsaina no mampiavaka ny firenena samihafa. Miandrandra fanavaozana ny Malagasy ary ny fiverenana amin'ny fanajana ny kolontsaina no fototra tsara hizorana amin'izany. Ny fifanajana sy ny fanajana dia soatoavina tsara mpampiavaka ny Malagasy; voalohany amin'ireny ny fanajana ny tena amin'ny alalan'ny fitondran-tena mendrika (fomba fiaina sy fomba fiteny). Ny fifanakalozan-kevitra, ny fifampiresahana dia vokatry ny fifanajana sy fanajana, mampitsiry fitiavana, ireny no mampitoetra ny fifanomezan-kasina ka hampilamina ny fiaraha-monina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny volana jona dia volana manasaka ny taona ; iray volana hanajàna ny Fo Masin'i Jesoa ; Volana JONA dia iray volana ho an'ny ankizy ; Volana hanaovana ny fanadinana famindrana kilasy ; Volana hanombohan'ny fanadinam-panjakàna ; Volana hanandratana ny teny Malagasy izany hoe iray volan'ny teny Malagasy ; Volana misy andro iray momba ny MOZIKA sy ny KOLONTSAINA ; Volana hankalazana ny niverenan'ny fahaleovantena ho an'ny Firenena Malagasy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Eny anatin'ny fiaraha-monina eny dia maro ny olona manana toe-batana somary manahirana dia ny kibo lehibe. Antony : Betsaka loatra ny "Kalôria" ampidirina amin'ny sakafo anefa tsy lany nampiasain'ny vatana ka misy tavy manodidina ny nofo sy ny oditra mandrafitra ny kibo, na manodidina ny taova hafa. Adika ho lehibe ny kibon'ny olona iray raha mihoatra ireto ny revin'ny hodidin'ny kibo (tour de taille) 88 cm vehivavy 102 ho an'ny lehilahy. Ilaina hatrany ny manatona mpitsabo mba tsy hiteraka olana hafa indray ireo fomba isan-karazany hanenana ny kibo. Ny ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tsy nitsahatra nihena ny vokatra tantely teto amintsika tao anatin’ny 30 taona mahery araka ny antontan’isa misy. Raha nahatratra 5 alina taonina ny vokatra tany amin’ny taona 90. Nidina hatrany amin’ny 4 arivo Taonina izany ny taona 2024... Miovaovao ihany koa ny vokatra tantely nahondran’i Madagasikara nandritra izay fotoana izay. Nisy àry ny dinik’asa nasionaly notanterahana teto amintsika hamerenana indray ny toerana misy ny tantely eto Madagasikara...
• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco