Tsy nitsahatra nihena ny vokatra tantely teto amintsika tao anatin’ny 30 taona mahery araka ny antontan’isa misy. Raha nahatratra 5 alina taonina ny vokatra tany amin’ny taona 90. Nidina hatrany amin’ny 4 arivo Taonina izany ny taona 2024... Miovaovao ihany koa ny vokatra tantely nahondran’i Madagasikara nandritra izay fotoana izay. Nisy àry ny dinik’asa nasionaly notanterahana teto amintsika hamerenana indray ny toerana misy ny tantely eto Madagasikara...
Nampihatrano izay dinika nasionaly hoan’ny fiompiana tantely izay ny teto an-drenivohitra ny 28 sy 29 May 2026. Dinika notanterahan’ny tranoben’ny tantsaha mpamokatra nasionaly notohanan’reo mpiara-miombon’antoka aminy, ka isan’izany ny FFF FAO sy ny PIC ary teo ambany fitantanan’ny ministeran’ny fiompiana nentina namolavolana ny paik’adim-pirenena hoan’ny fampiroboroboana ny fiompiana tantely.
Paik’ady hoentin’ny ministera eo anivon’ny governemanta hoavadika paik’ady nasionaly, mamaritra ny dingana hampandrosoana ny fiompiana tantely sy ny paik’ady stratejika hampiroboroboana ny fiompiana tantely. Fangatahan’ny mpiompy tantely ity dinika natao teto Antananarivo ity hoy ny ministry ny fiompiana Randrianomenjanahary Riana Nantenaina.
Tohin’ny dinika efa natao tany amin’ny faritra maro teto amin’ny nosy niaraka tamin’reo mpiara-miombon’antoka samiha ity natao teto Antananarivo ity. Nandritra izany dinika farany izany no namondronana ny hevitra fototra nivoitra tamin’izany hoy ny Sekretera Mpanatanteraky ny tranoben’ny tantsaha Mpamokatra Nasionaly, Fidy ANDRIAMAMONJY.
Nitondra ny heviny nandritra izao dinik’asa izao ireo mpisehatra amin’ny fiompiana tantely avy amin’ny fikambanana samihafa any amin’ireo faritra mahazo ny tohana avy amin’ny fandaharan’asa FFF FAO