Nanokana roa andro teto an-drenivohitra niadian-kevitra sy nanatevenana ny fahalalan’ireo tantsaha mpikambana ao aminy momba ny tsy fanilihana ny andraikitra rehetra eny ambanivohitra hoan’ny tantsaha sy ny momba ny fitantanana ny rano ny tranoben’ny tantsaha mpamokatra. Kaonferansa natao ny 18 sy ny 19 Jona teo...
Nankatoa ny politika tsy fanilihana sy ny fitovian-jo ny tranoben’ny tantsaha tamin’ny taona 2024 mba ahafahana miantoka ny tontolo ara-pitantanana azo antoka, tsy mitanila ary manaja ny zo hoan’ny mpamokatra rehetra. Tafiditra anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny FFF FAO ity hetsika natao ity. Anatin’ny tetik’asa tantsoroka sy fanofanana an’ireo rafitry ny mpamokatra ara-pambolena sy momba ny ala na ny OPFA...
Zavadehibe izao fihaonana izao hoy ny filohan’ny tranoben’ny tantsaha, Razafimbololona Angeline : Manamafy izay fanazavan’ny filohan’ny tranoben’ny tantsaha mpamokatra izay koa ny mpandray anjara Ramatoa Jeanne Sekretera jeneralin’ny Fivondronamben’ny tantsaha faritra atsinanana, ao amin’ny FEKRITAMA Madagasikara.
Nampahafantarina nandritra ny fihaonana teto an-drenivohitra koa ny maha zava-dehibe iankinan’ny hoavin’ny famokarana eny ambanivohitra ny rano ka hisy ny fifaninana karakaraina hoan’ny tantsaha liana handray anjara manerana ny nosy momba ny fitantanana ny rano. Fifaninana Tsinjorano natokana hoan’olon-tokana na ny vondron’ny tantsaha hotanterahana manomboka ny volana jolay hatramin’ny 30 septambra ho avy izao.