Niadian-kevitra ny 04 mey 2023 teo teny amin'ny foiben-toeren'ny Foibe Fikarohana ampiharina amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra na ny FOFIFA eny Ampandrianomby ny vokatry ny fandalinana ny momba ny masomboly katsaka, tsaramaso, mangahazo, ary ny ovy amin'ireo Faritra telo nanaovana ny fanadihadiana dia ny teto Analamanga, Itasy ary Vakinakaratra.

Andao isika hiombom-po, saina, fanahy miaraka amin'ny renim-pianakaviana mijaly noho ny aretina. Ny vehivavy renim-pianakaviana ka valaky ny aretina dia mijaly ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Mila fanohanana koa ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy izy ireny avy amin'ny ankohonana, ny fianakavina, ny fiaraha-monina indrindra ny mpiasan'ny fahasalamana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny filaminana dia ilaina tokoa na eo amin'ny fiaraha-monina samihafa na eo anivon'ny ankohonana. Isika tsirairay avy no mitambatra no zary ankohonana ary ny filaminan'ny tsirairay no antoky ny filaminan'ny ankohonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Maro ny aretina tsy mifindra anefa manelingelina ny fahasalamam-bahoaka. Ny fahalotoan'ny rivotra iainana no isan'ny mahatonga ny aretin'ny taova-pisefoana, izay vokatry ny fako sy ny setroka isan-karazany. Ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka dia ilaina ny fanajana ny fahadiovana satria izay tsy mandoto dia isan'ireo efa manadio. Marefo ny fahasalamam-bahoaka raha vao misy tsy fahalavorariana ny fahasalaman'ny tsirairay. Mila manao ezaka ny olona rehetra mba hanarahana ireny tetik'asa ataon'ny fanjakana momba ny fahasalamana ireny. Maro ihany koa ny aretina ateraky ny fandrosoana toa ny fandrosoana teknôlôjia sy ny asa-fikarohana hafa... 

Nankalaza ny andron'ny 8 marsa, andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy ny teto Madagasikara. Maro ny hetsika nanehoana izany. Nanasa vehivavy tompon'andraikitra, misehatra amin'ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny fandaharana HIRIKA. Tsy iza fa Ramatoa Tantely Rahoeliarivahy Rajobson...

Ny toe-po, toe-tsaina sy toe-panahy entina manorina ny tokantrano no antoka sy fototra mampaharitra  azy. Mila fiomanana, fantarina, ary volena izany toetra izany fa tsy mandeha ho azy. Zava-dehibe ny mahafantatra fa tsy mitovy amin'ny fiainan'ny mpitovo ny fiainan'ny mpivady. Ny fanorenana tokantrano dia fanohizana ny fahariana, izay tso-drano avy amin'Andriamanitra. Maro ny adidy sahanin'ny mpivady manoloana izany iraka izany. Ny fanatanterahana izany no fiainana ny hasambarana ety an-tany. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Noraisin'ny vaomieran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny rariny sy ny fiadanana ho fanamarihana ny 08 marsa ny loha-hevitra hoe : ny vehivavy sy ny fananan-tany. Nisarihana ny fisainan'ny rehetra ny mba hanomezana hasina ny vehivavy ny hoe : mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, tsy eo amin'ny lafiny ara-nofo sy ara-tsaina fotsiny ihany fa eo amin'ny maha-olona azy mihitsy koa. Ny vehivavy dia omen'ny lalàna zo mitovy feno sy mitovy amin'ny zon'ny lehilahy amin'ny lafiny fananan-tany. Mandrisika ny vehivavy ny tompon'andraikitra mba hiroso amin'ny ara-dalàna afahana misitraka sy manamafy ny fizakan-jo ; ohatra ny fisoratam-panambadiana. Maro ny vehivavy misehatra amin'ny asa fananan-tany ary mendrika amin'ny asa ataony... 

Ny 08 marsa no fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy. Ny loha-hevitry ny fanamarihana amin'ity taona 2023 ity dia : "Fanabeazana ny ankizivavy, fampizankan-tenan'ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy". Ny 8 marsa dia andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy satria hita kokoa ny fisongadinan'ny fihenan-danjan'ny hasin'ny vehivavy. Isan'ny zo : manan-jo hiaina ao anaty fahalalahana tsy hiaran'ny herisetra ; zo ho salama vatana saina, zo hahazo fahalalana, zo hifidy, zo hanana asa mendrika, zo hanana fananana. Hafatra : aoka isika hafantatra ny zon'ny vehivavy...

Saro-pady ny maso ka ny hany fahendena dia ny fanatonana mpitsabo, raha vao misy fisehon-javatra hafahafa eo amin'ny maso. Mizara ho faritra roa ny maso, ka samy mety ho tratry ny aretina na hisy tsy fahatomombanana, na ny faritra anatiny na ny ivelany.

Maro ny tsy fahatomombanana mpahazo ny maso ka misy ireo ilàna fitsaboana amin'ny alalan'ny fanafody ary misy koa ireo tsy maintsy hampiasàna solomaso. Ny olan'ny fahitana dia misy ireo tsy mahita halavitra na ireo tsy mahita akaiky. Ny fiforonana sy ny fitomboan'ny voamason'olombelona dia amin'ny faha-10 taonany vao tomombana tanteraka. Fandaharana "andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mitondra ny fahaiza-manaony miaraka amin'ny mpiara-miombona antoka amin'ny fandrakofana ala an'i Madagasikara ny Foibe Fafiala, manana ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, Antananarivo Avaradrano. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy ny zoma 24 febroary 2023, ny fiaraha-miasan'ny Foibe sy ny Conservation International.

Efa tsy azo ihodivirana ny firoborobon'ny tontolo nomerika noho ireo voka-pikarohana vaovao sy ireo teknôlôjia nomerika. Misy fanabeazana tsy maintsy atao anefa mba hanafoanana ny elanelana misy eo amin'ny lahy sy ny vavy amin'ny fahafahana mirotsaka sy misehatra ao amin'ny tontolo nomerika.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...