Mikaroka, mamokatra ary manofana ny tantsaha amin'ny famokarana zezika kankana i Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Zezika biôlôjika iareharehany tokoa ny voka-tsoa azo avy aminy. Miavaka amin'ny famokarana zezika ataon'ny mpamokatra hafa ny teknika ampiasainy...
Mikaroka, mamokatra ary manofana ny tantsaha amin'ny famokarana zezika kankana i Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Zezika biôlôjika iareharehany tokoa ny voka-tsoa azo avy aminy. Miavaka amin'ny famokarana zezika ataon'ny mpamokatra hafa ny teknika ampiasainy...
Maro dia maro ny fomba amam-panaon'ny olona isan'ambaratongany hita fa tsy mampiroborobo ny fahasalamana fa vao maika mampitombo ny aretina aza. Mila maka lesona amin'ireny hitondra mankany amin'ny fahasalamana tsara kokoa. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.
Ndeha isika hifanentana momba ny ady amin'ny kolikoly sy ny fanovana toe-tsaina. Manahirana ny mihevitra ny hoe : ny fanomezana homena ny mpampianatra avy amin'ny mpianatra ve endrika fanabeazana sa endrika kolikoly. Maro ireo ray aman-dreny no manome fanomezana, izay hampitondrainy ny zanany ho an'ny Mpampianatra ; misy manome vola anaty valopy misy manome zavatra mivaingana ho mariky ny fiarahabana noho ny taona vaovao. Misy manome amin'ny saina madio sy fitiavana, fahalalam-pomba. Maro ireo manome satria mitsinjo ny fianaran'ny zanany amin'ny lafiny fifandraisana : mba ho voakarakara kokoa manoloana ny hafa, izay mety ho tandindon'ny kolikoly... Fandaharana "ampela miary".
Fady ary tsy azo atao ny manotra na manosotra fanafody manala fanaintainana amin'ny faritry ny lamosina raha toa ka marary io faritra io. Mialohan'ny handraisana fepetra mikasika izay fitsaboana hatao dia tokony ho fantarina mazava izay anton'ny mahatonga ilay aretina na fanaintainana. Ny hazon-damosina dia fitambaran'ireo taolana mampijoro sy mampihetsika olona iray, mety hiisa 32 na 33 izy ireo. Saropady ny lamosina sy ny hazon-damosina. Mizara efatra ny hazon-damosina : ambony indrindra amin'ny faritry ny hatoka misy taolana 7isa ; ny faharoa dia ireo manandrify ny tratra misy taolana 12 isa ; manandrify ny valahana taolana 5 isa, ny farany ambany mifanohy amin'ny fitombenana, misy taolana miisa 9...
Ny hazon-damosina dia fitambaran'ireo taolana kely maro, mampijoro sy mampihetsika olona iray, mety hiisa 32 na 33 izy ireo. Misy karazany telo ny fivilanan'ny hazon-damosina : Ny voalohany "Scoliose" ilay mivilana miankavia sy miankavanana manao endrika "S" raha jerena avy atao aoriana ; ny faharoa "cyphose" ilay misy mibontsina na ilay atao hoe vokoka rehefa jerena mihorirana ; ny fahatelo farany "lordose" ilay misy milempona ny faritry ny hazon-damosina matetika amin'ny faritry ny valahana. Fambara : tsy mitovy ny alavan'ny tongotra, sahirana rehefa mandeha, tsy mifanitsy ny soroka, mitongilana ny loha...
Samy manana ny toerany sy ny andraikiny ny rehetra ao anaty fianakaviana iray. Ny fiarahan-dian'ny rehetra ao anatin'izany no nitondra ny hasambarana sy hafaliana eo amin'ny fiainan-tokantrano. Na inona na inona olana sedraina dia niaina hasambarana sy fitiavana hatrany ny tsirairay. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar.
Ireo antony mahatsara ny fianakaviana : mahay mifampikarakara, mifampihaino, mifanakaiky am-po ary mahay mifampahery. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré.
Mba hahatsara ny tontolon'ny fahasalamana amin'ny ankapobeny dia ilaina ny fanaovana fandinihantena amin'ny alalan'ny fananganana fafana fampitahana. Atao hita taratra ao anaty fafana ny tsara tokony ho tohizana, ny lesoka tokony harenina, ireo mampiahiahy (tsara/ratsy). Betsaka loatra ny pozina manimba ny fahasalam-bahoaka isan'izany ireo milaza ho mpitsabo anefa tsy nianatra mikasika ny fitsaboana sy ny fahasalamana, maro ihany koa ireo mivarotra fanafody na fitaovana entina hitsaboana anefa tsy nahazo alalana...
Ny donika sy ny bonibony dia mety hankarary ny sokajin'olona maro : zaza, olon-dehibe. Samy avy amin'ny tsimok'aretina avokoa no ahazoana ireo aretina ireo. Ny donika sy ny bonibony dia indray mandeha ihany no mitranga amin'ny fiainan'ny olombelona iray, ary mamela heri-fiarovana mandrakizay ao aminy izany aorian'ny fandalovan'ireo aretina ireo. Ny donika ratsy fanaraha-maso dia mety ahazoana takaitra : marenina, fahamombàna, fikorotanan'ny siramamy anaty vatana. Ny fisorohana azo atao : fanadiovana ny ati-vava. Ny ireo aretina ireo dia samy mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora. Ny fisehon'ny bonibony : mangirifotra madinika manomboka eo amin'ny tarehy vao miparitaka, fotoana fohy. Fambara : tarimo ao amin'ny hatoka...
Fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana: aoka tsy hanenenana na inona na inona, andao hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana. Zo ny mifidy ary malalaka ny rehetra na te hampiasa ny zony na tsia, torak’izany koa ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana.Na izany aza, mba ho solontenan'ny vahoaka malagasy, ary ho an'ny demokrasia ity lisitra ity, dia atao ny ezaka mba ho maro no ho voasoratra anarana ao anatiny. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar.
Vaovao ny taona (2023), firariantsoa no tsara hifampizarana. Hirina mba hitondra fahatsaram-piainana noho ny vina sy ny tanjona ity taona ity. Mamporisika antsika hanao ezaka ary hijoro amim-pahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Ramakavelo Désiré.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco