Fototry ny fampandehanana ny tokantrano ny fifandraisana mirindra eo amin'ny mpivady. Mila hatsaraina isan'andro izany amin'ny alalan'ireo teny mamy, fifanampiana, fanehoam-pitiavana. Mety betsaka ireo sakana lalovana ao anatin'izany toy ny tsy fahampian'ny fotoana, ny tsy fifankazahoan-kevitra, ny fahasarotan'ny fanabeazana ny zanaka amin'zao vanim-potoana iainantsika izao. Mitaky ezaka lalandava izany rehetra izany ary hahitana vokatra mahomby rehefa misy ny fifandraisana tsara...
Niara-nientana namboly hazo tao Antanimietry, Fokontany Ambohimanatrika, Kaominina ambanivohitra Mahitsy, atao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo ny 03 febroary 2023 teo ny vovonam-pikambanana Filamatra Soa Iombonana na ny "FISOI". Vovonana misehatra amin'ny asa fampandrosoana ny eny ambanivohitra...
Ny firaisan-kina manova zavatra maro eo amin'ny fiainana. Ny sehatra rehetra misy fifandraisana, fifaneraserana dia ilàna firaisan-kina satria izany no fototry ny fandrosoan'ny tsirairay. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny fandaminana ny fandaharam-potoanan'ny ankizy dia miankina amin'ny taonany sy ny filàny. Manomboka eo amin'ny fahadimy taonany farafahatarany no hanabeazana ny ankizy kanefa hajaina ny filàny mba hampivelatra azy ara-tsaina. Ireo filàna fototra tsy azo hiodivirana dia ny torimaso sy ny sakafo, lalao sy fanantanjahantena... Ilain'ny ankizy ny fivoahana ivelan'ny trano mba ahafahany mandinika sy misintona lesona eny amin'ny fiaraha-monina sy mankafia ny tontolo iainana. Atao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny ankizy ny fiarahana manao zavatra amin'ny lehibe : miresaka, milalao, mikirakira fitaovana, mamaky boky. Tokony tandremana ny fisafidianana olona hiandraikitra ny zanaka mandritra ny tontolo andro...
Ny 04 febroary no andro maneran-tany ho an'ny ady amin'ny homamiadana. Ny loha-hevitra amin'ity taona ity dia : "Ho fandraisana an-tanana mitovy, dia hatambatsika ny hery hiadiana amin'ny homamiadana". Ny homamiadana dia aretina vokatry ny fianaky ny sela izay lasa tsy ara-dalàna sy mitombo be loatra. Ny faritra rehetra amin'ny vatan'olombelona dia mety ho voan'ny homamiadana daholo, fa ny mateti-pitranga dia ny homamiadan'ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza ary ny "prostate". Fambara : Fivontosana, mihareraka, fanaintainana, mandeha ra ; tsy misy afatsy ny fanaovana fitiliana anefa no hamantarana ny tena zava-misy. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Nanao tombana momba ny fampiharana ny drafitra itantanana ny ivon-toeram-panofanana na ny "projet d'établissement tamin'ireo ivon-toerana nanaovana andrana, ny tambazotran'ny ivon-toerana manofana momba ny asa famokarana eny ambanivohitra na ny tambazotra FARMADA. Atrik'asa nataon teny Antaninarenina ny faha-20 janoary 2023...
Ny faharerahan-tsaina dia miteraka famoizam-po. Ny famoizam-po mitondra ho any amin'ny famonoantena. Mba hisorohana zavatra maro dia ilàna fitandremana ny "faharerahan-tsaina". Fandaharana "Mba ho vanona" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Fizaran-taona tsy maintsy misy ny fahavaratra isan-taona, misy foana ny tranga toy ny traboina sy ny aretina samihafa. Misy ireo aretina miseho rehefa fahavaratra ka isan'ireny : aretin-kibo vokatry ny fahalotoan'ny rano fampiasa sy fisotro ; eo koa ny areti-maso izay mora mifindra tokoa amin'ny alalan'ny fifampikasoana, aretina vokatry ny tsimok'aretina n'a otrik'aretina ; ny lagaly izay aretina mahazo ny hoditra vokatry ny loto ihany koa. Ho fisorohana ireny aretina rehetra ireny dia entanina ny rehetra mba hampiasa rano azo antoka, hanaja ny fahadiovana, ary hamonjy tobim-pahasalamana raha misy tranga tsy fahasalamana mampiahiahy...
Noharian'Andriamanitra hitovy endrika aminy ny olombelona. Noho izany dia manan-danja sy manana fahamendrehana ny olombelona tsirairay, ary anisan'izany "Aho". Amin'ny maha-tanora ahy dia afaka mampiasa izany ho tombony aho : afaka mamorona sy matsilo saina. Tsara aho ary afaka manao ny tsara ihany koa. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar.
Ny olona tsirairay dia tsy maintsy manana vina sy tanjona raha te-ho tafita eo amin'ny fiainana. Io vina sy tanjona io dia azo avy amin'ny fananana "fahefana anaty" izay fanalahidin'ny fiainana manontolo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Manana adidy hanabe sy hanomana ny zanaka mba hatratra ny tanjona kasainy, ny mpivady. Mila mihomana mialoha ny mpivady, izany hoe mandalo fifampidinihana vao tokony hiroso amin'ny fiterahana. Misy akony amin'ny fitaizana ilay zanaka ny antony hiterahana : Faniriana, na noho ny tosiky ny fiaraha-monina. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Rehefa tery na voatsindry ny retsika siatika dia miteraka fanaintainana eo amin'ny valahana, izay mety ahazo ny lehilahy 35 hatramin'ny 55 taona na ny vehivavy avy niteraka. Ireo antony : fihetsika tsy nahiana, fafindisoana eo amin'ireo taolam-pisaka kely amin'ny hazondamosina, fahanteran'ny hazondamosina, fahateren'ny fantsona kely ao anatiny, dona. Ny retsika siatika dia retsika izay manome ny fahatsapan'ny ampahany amin'ny rantsam-batana ambany sy ny ampahany amin'ny fihetsiny: ahatsapana sy manetsika ny rantsam-batana ambany. Fambara : Marary ny valahana, tsy mahavita mihetsika, voly ny tongotra, fanaintainana tsapa amin'ny ratsam-batana ambany...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco