Niadian-kevitra ny 04 mey 2023 teo teny amin'ny foiben-toeren'ny Foibe Fikarohana ampiharina amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra na ny FOFIFA eny Ampandrianomby ny vokatry ny fandalinana ny momba ny masomboly katsaka, tsaramaso, mangahazo, ary ny ovy amin'ireo Faritra telo nanaovana ny fanadihadiana dia ny teto Analamanga, Itasy ary Vakinakaratra.

Atrik'asa tamin'ny alalan'ny ilay tetik'asa Food Sec Semence, vatsian'ny vondrona Erôpeana sy ny CIRD vola, iarahana miombon'antoka amin'ny vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana ary manatanteraka ny asa ho an'ny eto Madagasikara ny FOFIFA. Tetik'asam-paritra anohanana ny  fiantohana ara-tsakafo amin'ireo firenena efatra aty amin'ny  Ranomasimbe Indiana ka isan'izany i Madagasikara.

Kendrena amin'izany tetik'asa izany ny fanaingana ny lalam-piariana masomboly mifanaraka amin'ny vokatry ny fiovan'ny toe-tany sy ny toetr'andro,  mba hisy kalitao ny famokarana sakafo sy ny otrik'aina entina ho an'ireo firenena aty amin'ny Faritra atsimo andrefan'ny Ranomasimbe Indiana ireo. Zava-dehibe ho an'ny famokarana sakafo eto amintsika ny natao androany ho ny tale jeneralin'ny FOFIFA, Profesora Razafinjara Lala.

Isan'ny nivoitra tamin'ny famakafakana momba ireo lalam-pihariana masomboly ireo fa manana olana amin'ny fahazoana masomboly nohatsaraina mahavaly ny filany ny tantsaha eto amintsika. Tsy maharaka ny tinady ny tolotra misy ary tsy  takatry ny fahefa-mividin'ny tantsaha ihany koa. Mikaroka hatrany ny fomba amahana azy ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana hoyny sekretera jeneraliny Raharinomena Fanja, ary misy ny paik'ady momba izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...