Ny toerana misy ny voa : ao ambadiky ny kibo, amin'ny ilany avia sy havanan'ny hazon-damosina. Miisa roa ny voa amin'ny ankapobeny fa misy ihany ny olona tsy manana afatsy iray, anefa mahavita ny asany tsara ihany io taova io. Ny asan'ny voa : manivana ny singa entin'ny ra, mandanjalanja ny filàna rano, mitazona ireo mineraly ilain'ny vatana, mandanjalanja ny asidra ilain'ny vatana, mamokatra hormnonina. Fambar'aretina : mipipi ra, mandroatra ny pipi, mahatsiaro reraka, manaintaina ny faritry ny kibo na ny lamosina, marary ny vanin-taolana, te hivalan-drano matetika...
Ny toerana misy ny sarakaty dia eo amin'ny ila-takiba avia. Misy asany roa ny sarakaty : mamorina ny "insuline" manampy ny sela ampiditra ny siramamy ao amin'ny vatana, mamokatra "enzyme" manampy amin'ny fandevonan-kanina. Aretina mpahazo azy : tsimokaretina epatita A, B, C, E, kista, omamiadana, voasaron'ny tavy ny sarakaty. Fisehony : Marary ny ilany avia, fipetraka miforitra miendrika efatra ka manindry miankavia, maloiloy...
Kavin'omby maherin'ny 14000 no hapetraka amin'ny omby ao amin'ny Distrikan'Amboasary Atsimo sy Taolagnaro, mialohan'ny faran'ity taona ity. Ny 6700 amin'ireo no ho an'ny Distrikan'i Taolagnaro raha toa ka 7900 kosa ho an'Amboasary Atsimo. Mbola mila entanina hatrany anefa ny tantsaha ahafahana manatratra ny tanjona.
Manana drafitra paik'ady enti-miasa mandritra ny dimy taona ny tambazotran'ireo mpampiofana amin'ny seha-pamokarana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny Réseau FARMADA. Naseho ampahibemaso ary natolotra an'ireo mpiara-miombon'antoka samy hafa ity drafitra taona 2022-2026 ity ny faha-29 jolay 2022...
Ny aty sy ny sarakaty dia taova mifanakaiky ary mifameno ny asany. Tsy voatery hisy fifandraisana amin'ny aretina mahazo ireo taova ireo ny fisehoana aretin-koditra. Ny toerana misy ireo taova ireo : ny aty dia manakaiky ny vavony amin'ny ilany avanana somary ambony ; ny sarakaty kosa dia eo ambanin'ny vavony. Ny tranga hamantarana fa misy aretina mahazo ireo taova ireo : Manompy mavo na misy tasy mena ny hoditra, mangidihidy ny vatana manontolo, mamofona ny ativava, matetika manana olana amin'ny fivalanana (mitohina na mivalana), rera-dava, mavesatra ny ilany avanana raha ny aty no marary, ary ny avia raha ny sarakaty no misy olana.
Nanokana roa andro nikaonan-doha momba ny fijery tantsaha niompana amin'ny dingana fanohanana an'ireo tanora hisehatra amin'ny famokarana eny ambanivohitra ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA.
Amin'izao fotoana ny andro ririnina izao no mampitombo kokoa ny fanaintainana eo amin'ny vanin-taolana. Ny fisehony : manaintaina ny vanin-taolana, misy fivontosana, fihetsika voafetra. Tsy tokony hatao ny manotra ny vanin-taolana sao hanapaka ireo ozatra kely mampifandray ny taolana roa. Misy karazany roa ny aretin'ny vanin-taolana na ny arthropathie : ny arthrites na ny fanafihan'ny otrikaretina ny vanin-taolana ; ary ny faharoa dia arthroses, izay fahasimban'ny taolana malemy eo amin'ny loha-taolana. Ny antony : vokatry ny dona, fahanterana, virisy hepatika (mamparary ny aty).
Nanatevi-pahalalana nandritra ny telo andro tao Betsitaisana, Fokontany Tsimiambolahy ao amin'ny Kaominina ambanivohitra Fihaonana, Distrika Ankazobe, amin'ny alalan'ny fiofanana, ireo tantsaha miara-miasa amin'ny Fikambanana "Tsiky Tsika".
Ny hanaovana ny asa tsara ho lovan'ny taranaka dia isan'andro mihitsy no hiainana azy. Noheverintsika hoe izay tsy ilaina dia fako ka ariana, kanefa mbola misy ny azo hampiasana azy ireny : ohatra ny fakon-dakozia dia ahazoana zezika compost ; ny rano nanasana sakafo dia ahafahana mamokatra olitra ho sakafon'ny akoho amam-borona ; ireo voan'ny voankazo dia ahafahana mamatsy tanin-jana-kazo kely eo an-jaridaina ; ny taim-biby ahodina ho "biogaz" ; ny vatan-kazo sy ny raviny hanatsarana ny "permaculture" ; ny "plastique" azo atao tavy dia hambolena anana sy ny voankazo. Ireo no hatao dia efa mametraka lova ho an'ny taranaka isika no sady mitsinjo ny tontolo iainana.
Fandaharana "Mba ho vanona" : famintinana ny natao nandritry ny taom-piasana 2021-2022. Taom-piasana niresahana ny fananganana ny rindrin'ny fahavanonana : ny maha-olom-banona, ny maha-olom-pirenena ary ny tamberin'andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ny fahatsorana dia toetra voajanahary ao amin'ny olona indrindra ho an'ny zaza. Rehefa mihalehibe ny olona iray dia mihataka amin'ny "fahatsorana" tsikelikely satria tia manasarotra zavatra izy ireo mba hilazany fa manandanja ny zavatra iray. Ny fahatsorana dia ahitana foto-teny hoe "tsotra" izay midika hoe tsy miolakolaka na mangarahara. Fandraharana "Ampela miary" vokarina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny andro mangatsiaka no mampihetsika ny aretim-bavony, izany hoe ny vanim-potoana ririnina. Ny aretim-bavony dia misy karazany maro : mamaivay, fery anaty, mandrezatra lava, mitsakoahana lava, loaka na maratra na tapaka ny lalan-kanina, ny homamiadan'ny lalan-kanina na ny homamiadan'ny vavony. Ireo fambara mety hisy : maheno fivokonana na mikainkona ao anaty vavony, mamaivay, maloiloy ary mety hando, miziriziry. Ireo karazan-tsakafo mety hampiombo ny aretim-bavony : sakafo betsaka "épices", vinaingitra, toaka, fihinanana fanafody fanalana fanaintainana matetika tsy araka ny toro-mariky ny mpitsabo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco