Naseho an'ireo tantsaha tetsy amin'ny lemak'i Laniera ao amin'ny kaominina Sabotsy-Namehana distrika Antananarivo-Avaradrano ny fomba fanetsana amin'ny alalan'ny milina entin-tanana sy ny milina maneha amin'ny angovo. Milina natao hifanaraka amin'ny fomba fambolem-bary voizin'ny tetik'asa PAPRIZ izay eo ambany fiahian'ny MInisteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Mangina ny fanentanana amin'ny ady amin'ny Sida eto amintsika dia mihevitra ny olona fa efa foana izy. Mila hampiroboroboana ny fepetra fiarovana amin'ny fifindrany sy ny fanaovana fitiliana. Ireo tsy manao fitiliana kanefa mitondra tsimokaretina no mamindra fa ireo efa fantatra dia efa manaraka fitsaboana ny ankamaroany.
Ny mpisehatra amin'ny telozorom-panabeazana dia miroaroa saina manoloana ny fialan-tsasatry ny Noely 2021 ity. Misy zavatra maromaro mampiavaka ity fialan-tsasatra ity mantsy toy ny : fiatraikan'ny fiovan'ny toetrandro, fahatapahan'ny fampianarana tapoka noho ny Covid-19, famerenana ny fampanajàna ny fepetra sy ny fihetsika sakana amin'ny maha ao anatin'ny vanim-potoanan'ny "Fahamailona ara-pahasalamana" ny faritra vitsivitsy noho ny valan'aretina.
Manao ny fivoriambe fanao isaky ny roa taona ny "Groupement Para Professionnels Vétérinaire de Madagascar" na ny GPPVM, ivondronan'ireo teknisiana niofana manampy an'ireo "vétérinaire" amin'ny fitsaboana sy ny fikarakarana ny biby eny ambanivohitra...
Maro ny olana ara-pananahana ankehitriny ka ilaina ny herivelon'ny Fiangonana hiaraka handray andraikitra amin'izay tandrify azy hanabe ny olona amin'ny fanajana ny soatoavina kristianina amin'ny lafiny ara-pananahana.
Misy ny olona voasokajy ho vahoaka fotsiny fa tsy olom-pirenena. Ahoana ary ny hanomanana sy hamolavolana ny Malagasy ho tena olom-pirenena mahalala sy mahafantatra ny adidiny sy ny andraikiny ? Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Maina ny ankamaroan'ny tanimbary eny amin'ny distrikan'Antananarivo-Atsimondrano. Tsy manakana an'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert, nanetsa vary izany amin'izao volana desambra izao...
Tokony hisongadina ao anatin'ny hafaliana vokatry ny fitiavana ny fiainam-pianakaviana. Antson'Andriamanitra ny fanorenana fianakaviana ary misy iraka sahaniny ho fanasoavana ny fiaraha-monina. Manamasin-tena izy amin'ny alalan'ny fiainana ny sotovanina sy ny fiainam-bavaka. Fadaharana " fibeazana miaina sy mitia".
Efa maro ny lohahevitra noresahina mahakasika ny fanehoam-pitiavana. Ny vatana mifanakaiky dia isan'ny fanehoam-pitiavana hafa koa, izay mamoaka onjan'ny firaisan-tsaina sy onjan'ny fifampitokisana. Ity fomba fanehoana fitiavana ity dia azon'ny rehetra atao na eo amin'ny mpivady na eo amin'ny mpianaka. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ny fiovaon'ny toetr'andro dia miteraka fahavoazana maro, na ho an'ny mponina an-drenivohitra na ny eny ambanivohitra. Ny fiovan'ny toetr'andro dia efa nampoizina ary efa nanomanana ny tsirairay. Porofo ny fiovana ny fiakaran'ny marimpana, ny tsy fitovian'ny faharetan'ny fizaran-taona sy tsy firindràny. Manakorotana ny asa fivelomana sy ny fahasalamana izao fiovana izao. Mirongatra ho azy ny fifindra-monina noho ny fiovan'ny toetr'andro...
Ny zaza dia tsy mahavita mamaritra ny aretina mahazo azy, ireo ankizy enina taona mihoatra kosa dia mahavita miteny ny olany ara-pahasalamana. Ny aretin'andoha dia fanaintainana re vokatry ny fibontsonan'ny lalan-dra na fikaikon'ny hozatra amin'ny faritry ny loha. Antony mahatonta ny aretin'andoha: fanaviana, fidinana na fiakaran'ny tosi-dra, olan'ny maso, tsy ampy torimaso, fahalotoan'ny rivotra, lalan-dra tsentsina...
Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny Finoana ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Na ny finoana kristiana, na ny finoana silamo, na ny finoana mandala ny fomba nentim-paharazana malagasy, na ny finoana hafa dia samy manome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana avokoa noho izy ireo iombonan’ny olona maro. Araka izany dia afaka miara-miasa ireo antokom-pinoana maro eto Madagasikara, mitady vaha-olana maharitra sy tsara kokoa entina miaro ny tontolo iainana, mamerina ny tontolo iainana amin’ny laoniny ary entina mampalefaka kokoa ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetr’andro.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco