Nitondra ny anjara biriky tamin'ny asa fampivoarana ny seha-pamokarana teny ambanivohitra ny Foibe FAFIALA. Manamariika ny faha-30 taona nijoroany ity foibe manana ny foiben-toerana eny Ambohimangakely Antananarivo-Avaradrano ity...

Homarihana ny 08 oktobra 2022 izao eny Ambohimangakely ny ivon'ny fankalazana ny faha-30 taonan'ny FAFIALA. Mifototra amin'ny fikarohana sy fampandrosoana, ny fampiofanana ary tohana ara-kevitra ny sehatr'asan'ny foibe hatramin'izay. Omena langa manokana amin'ny asa fampandrosoana voiziny kosa amin'izao fotoana izao ny politika ankapoben'ny Fanjakàna sy ny tanjon'ny fampandrosoana lovain-jafy. Miompana amin'izany avokoa ny fototra iorenan'ny asa fampandrosoana ilofosany, dia ny eo amin'ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana madinika haingam-pihodina izay manaja ny rohy voaro sy ny tontolo iainana.

Isan'ny sehatra hananan'izy ireo fahaiza-manao manokana ny fiompiana landy. Hanamafy orina ny fampiroboroboana ity lalam-pihariana ity ny FAFIALA amin'izao 30 taona nijoroany izao. Foto-drafitr'asa tsangambaton'ny fankalazana ny faha-30 taona ny tranon-dandy, tokanana ny 08 oktobra izao.

Nametrahan'ireo mpiara-miombon'antoka marobe ny fitokisany na ara-bola na ara-teknika ny Foibe FAFIALA, niatomboka tamin'ny tohan'ny Coopération Suisse ka nahafahany nanao ny asa fampandrosoana nahenika ny lafy valon'ny nosy. Mitohy hatramin'izao izay fiaraha-miasa amin'ny mpiara-miombon'antoka izay hoy ny tale mpanatanteraky ny FAFIALA, Raveloarijaona Nonat. Maherin'ny 6000 isa ny tantsaha, ny teknisiana, ny tompon'andraikitra eny anivon'ny fikambanana nofanin'ny Foibe FAFIALA hanabe voa ny famokarana ilofosany nandritra ny 30 taona. Fiofanana niompana tamin'ny famokarana miaro ny tontolo iainana sy fampivoarana eny ambanivohitra.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...