Mitovy daholo ny fahaiza-manao ananan'ny mpitsabo na miankina amin'ny fanjakana na ny tsy miankina, ny fahafahana mampiasa fitaovana sy fanafody no mety mampiavaka ny tsirairay. Ny fanaovana ho anton'asa ny asa fitsaboana dia tsy maintsy azahoana fahazoan-dalana avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny fikambanana momba ny fasalamana. Mety hiteraka voka-dratsy ho an'ny fahasalamana ny fihinanana fanafody tsy voalanjalanja eny amin'ireo mpitsabo tsy matihanina ireny. Ny lalana navoakan'ny Ministera tamin'ny faha 26 avrily 2017 no mifehy ny asa fitsaboana eto Madagasikara sy ny asa manodidina ny fahasalamana....
Ny aretina "parkinson" dia aretina mahazo ny selan'ny atidoha, izay mamokatra ny tsiranoka atao hoe "dopamine". Ity farany dia manana ny asa mandrisika ny vatana havitrika. Ny atidoha dia taova mibaiko ny vatana manontolo, ka ilàna fitandremana. Ny sakafo mandrisika amin'ny famokarana "dopamine" : ankondro, chocolat, sésame, zavoka, atody, sakafo vita avy amin'ny ronono. Ny lehilahy no betsaka voan'ny aretina "parkinson", ny salan-tanao dia manodidina ny 60 taona no miakatra. Ny fambara : valabalaka, mihena ny fifantohana, mihena ny fahazotoana manao asa, mihinjitsindritra ny ozatra samihafa, sahirana manetsika vatana, mangovitra ny loha na tongotra na ny tanana rehefa mipetraka, sahirana miteny, miharatsy soratra...
Manao tantsoroka amin'ny fanohanana ara-tsakafo an'ireo mponina ianjadian'ny tsy fanjarian-tsakafo any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy ny mpiray ombon'antoka amin'i Madagasikara, isan'izany ny governanta britanika. Nanolotra fanampiana 2 tapitrisa Livres Sterling, manodidina ny 2,16 tapitrisa dôlara ho an'i Madagasika hotantanan'ny fandaharan'asa eran-tany momba ny sakafo na ny PAM izy ireo hanohanana ara-tsakafo ny mponina any atsimo.
Ny fihariana nomerika dia ilàna fahafantarana zavatra maro. Tsy azo lavina intsony fa ny andavanandrom-piainan'ny malagasy dia tsy afaka misaraka amin'ny aterineto. Tsara arak'izany raha mianatra mifehy ireny fitaovana ireny mba hirosoana anatin'ny tontolo mivoatra hatrany. Fandaharana "miaina sy mitia", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny varisy dia fihitaran'ny haben'ny lalan-drà "veine" noho ny fahaverezan'ny fizozorany, ity lalan-drà ity dia ilay fantsona mitondra ny rà maloto miverina any amin'ny fo. 30 hatramin'ny 35% ny vehivavy no mety ho tratry ny varisy ary 15 hatramin'ny 30% ny lehilahy. Ny varisy dia misy karazany roa : ny voalohany , ireo hita ety ivelany izay mitarika amin'ny faharatsian'ny endrika sy bika, ny faharoa dia ireo tsy tazana fa any anaty nofo. Ny faritra mety hisy azy amin'ny vatan'ny olombelona : fe, ranjo, tampon-tongotra, ny hoditra fonon'ny vy ho an'ny lehilahy. Ny antony : tarazo, fihoaran'ny lanja, vokatry ny fitsaganana na fipetrahana lava, na mandry lava, vahanterana, ary farany olona amin'ny fitondrana vohoka...
Nitondra ny anjara biriky tamin'ny asa fampivoarana ny seha-pamokarana teny ambanivohitra ny Foibe FAFIALA. Manamariika ny faha-30 taona nijoroany ity foibe manana ny foiben-toerana eny Ambohimangakely Antananarivo-Avaradrano ity...
Ny fifamenoana eo amin'ny ray sy ny reny dia ao anatin'ny fitsipiky ny fiainana. Maro ny sehatra hifamenoin'ny mpivady : eo amin'ny lafiny fivelomana andavanandro, fiahiana ny fiainan-tokantrano, ny fitaizana sy fanabeazana ny zanaka. Mba hatsara ny fiainan'ny mpivady dia ilaina ny fifanabeazana sy ny famaritana soatoavina iombonana ary ny lafiny ara-pinoana. Mivelatra ny fifamenoin'ny mpivady, indrindra ny fifandraisana amin'ny mpiara-monina, ny fananganana tetik'asan'ny fianakaviana...
Ny tosi-drà dia mitarika fahafatesana raha dia ka miakatra avo loatra. Ho an'ireo izay manao fitsapana tosi-drà an-trano dia ireto tarehimarika ireto no mety hiseho (13-8), mba tsy handiso ny valin'ny fitsapana dia ilaina ny mak'aina tsara vao mampiasa ny fitaovana. Na mahita ireo tarehimarika ireo aza dia ilaina ny fanaraha-maso io tosi-drà io 3 hatramin'ny 4 andro vao afaka milaza fa manana tosi-drà avo ny olona iray. Misy ambaratonga telo ny tosi-drà avo : HTA maivana (14-15), ny HTA antonony (16-17), ary ny fahatelo dia ny HTA avo indrindra (+18). Maro ny antony mahatonga ny tosi-drà ho avo : sakafo, zava-madomelina, raritsaina, takaitra napetraky ny Covid-19. Fambara : marary andoha, fanina, mivalana, mena maso...
Nahoana no mila mitandrina ny ray aman-dreny amin'ny fiatraikan'ny finday na fahitalavitra amin'ny zaza madinika?. Manoloana ny fanatontoloana sy ny vanim-potoanan'ny teknolojia vaovao dia maro ny ankizy mampiasa finday aloha loatra, sy matetika mijery fahitalavitra maharitra. Ny anton'izany dia noho ny fisarihan'ny namana sy noho ny fahasahiranan'ny ray aman-dreny. Ny vokatr'izany dia tsy ampy ny fotoana hifandraisan'ny ankohonana, eo koa ny ara-pahasalaman'ny saina sy ny fiankinan-doha...
Misedra fahasahiranana ny tantsaha ao amin'ny Faritr'i Menabe. Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana any ambanivohitra. Ny vokatra miha-mitotongana noho ny tsy fahampian'ny rano entina anondrahana, indrindra ho an'ny tanimbary...
Mila fohazina sy kolokoloina ny voady nifanaovana mba ho tanteraka. Ny tenin'i Jesoa Mt 5, 48 "Koa aoka ho lavorary hianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra. Ilana fiomanana ny fiainana ny antso ho an'ny fianakaviana : Fantarina ny tena sy ny olona manodidina izany hoe ny tena manokana, ny fianakaviany sy ny fombany, ny lala-nodiaviny, ny toe-batany, ny toe-tsainy. Ny fanorenana fianakaviana dia ilana vavolombelona anefa fadiana ny mamitaka an'Andriamanitra. Rehefa vita ny voady dia miezaka miaina ny "fenitra volamena '" : miserasera, miaina mari-pitiavana, mivavaka, ary farany miara-dalana amin'ny fiangonana. Ny MA.MI eny Ambohipo dia manao tantsoroka amin'ny fikolokoloina ny fiainan'ny mpivady...
Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Raha iainana io fahefana anaty io dia hiova tanteraka ny fiainan'ny tsirairay. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco