Niara-nientana namboly hazo tao Antanimietry, Fokontany Ambohimanatrika, Kaominina ambanivohitra Mahitsy, atao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo ny 03 febroary 2023 teo ny vovonam-pikambanana Filamatra Soa Iombonana na ny "FISOI". Vovonana misehatra amin'ny asa fampandrosoana ny eny ambanivohitra...

Zanakazo 3.000 fototra mahery no nifarimbonan'ny mpikambana ao Mahitsy sy ny avy any Itasy nambolena. Nahitana karazan-kazo samihafa, niampy hazo fihinamboa ihany koa. Niara-niombon'antoka tamin'izao fambolen-kazo nataon'ny vovonam-pikambanana FISOI izao ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na "réseau SOA". Nambaran'ny taleny Andriamandimby Gérard fa manohana amin'ny tetik'asa atao ny tetik'asa FFF FAO ary tsy eto Antananarivo ihany no hanaovana tetik'asa toa izao fa any amin'ny faritra avaratra ihany koa. Velaran-tany 900 Ha no ezahana rakofan'ala amin'izao fiaraha-miasa izao.

Manana mpamokatra zanakazo nahazo fiofanana manokana ahafahana miantoka ny zanakazo ho an'ny mpikambana 400 isa ny fikambanana FISOI. Entanina hamboly zanakazo 10 avy ny mpikambana tsirairay. Tanjona ny hambolen'ny mpikambana ao amin'ny FISOI zanakazo 4.000 isa farafahakeliny amin'ity taona ity hoy Ramatoa Mamisoa Lantoniaina sy Andriamatoa Raobijaona Harinirina Alain Bruno, mpitarika fikambanana ao amin'ny FISOI.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...