Mitondra ny fahaiza-manaony miaraka amin'ny mpiara-miombona antoka amin'ny fandrakofana ala an'i Madagasikara ny Foibe Fafiala, manana ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, Antananarivo Avaradrano. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy ny zoma 24 febroary 2023, ny fiaraha-miasan'ny Foibe sy ny Conservation International.

Asa napetraky ny Conservation International ny hamerenana indray ny ala voajanahary manakaiky ny tandavan'ala Ankeniheny Zahamena. Ny faritra faharoa ao amin'ny Kaominina Mankambahiny Atsinanana, ao amin'ny Fokontany Anosivola no asa nampiandraiketina ny Fafiala. Velaran-tany 500 Ha no horakofana ala. Tetik'asa hatramin'ny volana septambra ho avy izao. Misy ny fiaraha-miasa amin'ny tantsaha manakaiky izany faritra iasana izany, hoy ny Tale mpanatanteraka, Raveloarijaonina Nonah ; ka fianakaviana eo amin'ny 400, ahitana olona 1000 any ho any no mahazo tombontsoa.

Foibe mivoy ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny haitao sy ny traik'efa samihafa nampiasainy nandritra ny 30 taona mahery nijoroany teto Madagasikara, ny Fafiala.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...