Maro ny tsy fahatomombanana mpahazo ny maso ka misy ireo ilàna fitsaboana amin'ny alalan'ny fanafody ary misy koa ireo tsy maintsy hampiasàna solomaso. Ny olan'ny fahitana dia misy ireo tsy mahita halavitra na ireo tsy mahita akaiky. Ny fiforonana sy ny fitomboan'ny voamason'olombelona dia amin'ny faha-10 taonany vao tomombana tanteraka. Fandaharana "andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dalana] Zoma 24 marsa 2023

♦ Fahatsiarovan-tena hanova ny zava-misy mampijaly no tanjona ho an'ny dinika marolafy notanterahina tao amin'ny Seminera zokiny Antsiranana nanomboka ny 20 mars 2023... ♦ Mila ofanina sy beazina hahay hitsikera sy haneho ny maha-izy azy ny tanora, hoy i P. Alphonse Awoudou, Mpanolo-tsaina jeneraly misahana an'i Afrika sy Madagasikara ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Mila arovana ny trano mba hahafahan'ny taranaka aoriana misitraka azy, hoy ny Papa François...

Tohiny...

Tsara ny Noely, raha...

Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...