Mbola ambany ny tahan’ny vokatra ny ronono jifain’ny malagasy raha mihoatra amin’ny atsy Afrika sy ny any Eraopa. Tsy misy afatsy 7 kilao isan’olona isan-taona izany raha efa mahatratra hatrany amin’ny 60 kilao isan-taona isan’olona ny atsy Afrika. Isan’ny nivoitra izany androany nandritra ny fanamarihana ofisialy ny andro eran-tany hoan’ny ronono teny amin’ny zaridain’Antaninarenina ny 05 jona teo...

Ny voalohan’ny volana jona no fanamarihana izany saingy nisafidy ny andron’ny 05 jona ny Malagasy Dairy Board na ny MDB nankalazana azy io tao anatin’ny herinandron’ny ronono niaraka tamin’ny tetik’asa PROFI-LAIT PLUS vatsian’ny AFAFI CENTRE 2.

Mila takatry ny fahefa-mividin’ny malagasy ny ronono raha tiana ny hampitombo ny fanjifàna azy io hoy ny ministry ny fiompiana RANDRIANOMENJANAHARY Riana Nantenaina. Isan’ny fomba ahatongavana amin’izany ny fanamorana ny fisitrahana ny akora fototra ampiasaina amin’ny famokarana ronono hoy hatrany ny ministra : Efa misy ny ezaka ataon’ny fanjakàna amin’ny alalan’ny ministeran’ny fiompiana ampiroboroboana ny famokarana ronono eto Madagasikara. Isan’izany ny fanatsaràna ny taranaky ny biby mamokatra ronono eto Madagasikara. Tsy ny omby ihany fa hatramin’ny osy any atsimo.

Mbola mila mamokatra ny iray ampahatelon’ny ambonin’ny vokatra ronono amin’izao fotoana izao nefa i Madagasikara izay vao afaka mamaly ny filàna eto an-toerana. Mahatratra 120 tapitrisa taonina isan-taona mantsy ny famokarana anatiny ka mila ampitomboina ho 160 tapitrisa taonina izany araka ny antontan’isa

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...