Efa mahasarika mpanjifa avy any ivelany ny Foara Iraisam-pirenena hoan’ny toekarena eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny FIER MADA. Mpanjifa avy atsy Afrika Atsimo, any Belgique ary atsy amin’ny nosy La Reunion no efa nilaza fa ho avy hividy ny vokatry ny tantsaha. Nivoitra izany nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny FIER MADA andiany faha 27 amin’ity taona ity. Hetsika ara-toekarena tanterahana eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka ao Antananarivo Renivohitra nanomboka ny alarobia 06 Aogositra hatramin’ny alahady 09 Aogositra izao...

 Manana solotena mandray anjara avokoa ny faritra rehetra eto amin’ny nosy afatsy ny any amin’ny faritra atsinanana sy andrefan’ny nosy izay vitsy ny mpandray anjara tonga noho ny fahavoazana nahazo azy ireo vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani sy Fitia nandalo teto Madagasikara tamin’ity taona ity.

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny FIER MADA ny ministry ny fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo RAMINDO Gaëtan, notronin’ny lehiben’ny faritra mpisolo toerana eto Analamanga Raharinirina Clémence.
« Lalan-tany mateza tsara no ampifandraisana ireo toeram-pamokarana rehetra any ambanivohitra amin’ny tsenan’ny kaominina », izay no lohahevitra amin’ity FIER Mada andiany faha 27 ity...

[Miara-dàlana] Zoma 7 aogositra 2026

• Tontosa ny 4 sy 5 aogositra ny fihaonana voalohany nataon'ny SCEAM ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028"... •Tanterahana ao Befandriana Atsimo ny JMJ 7 ao amin'ny Diosezin'i Morombe... •Fanehoana fanantenana ny vavaka hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...