Mijoro ao amin’ny faritr’i DIANA ankehitriny ny vovonana iadian-kevitra hoan’ny lalam-pihariana tantely na ny Plate Forme Miel DIANA. Manomboka miroborobo ao amin’ity faritra ity ny seha-pihariana noho ny tohana ataon’ny mpiara-miombon’antoka, dia ny tetikasa FFF FAO, ny HELVETAS ary ny Réseau SOA. Na dia maro aza ezaka vita ao DIANA momba izay fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely izay, maro ny fanamby mbola atrehana amin’ny hoavy...

Isan’izany ny fametrahana ity vovonana iadian-kevitra momba ny tantely na ny plateforme miel ity, izay niainga tamin’ny fitakiana nandritra ny dinik’asa nasionaly hoan’ny tantely ny 29 May 2026 teto Antananarivo ny tokony hampijoroana azy. 

Tafajoro amin’izao fotoana izao ny vovonana, ka tanjona ny andrindràna ireo mpisehatra amin’ny fiompiana tantely, ny anatsarana ny fitantanana ny lalam-pihariana ary ny hisian’ny fampandrosoana maharitra ny lalam-pihariana mifanaraka amin’ny tondro misy eto amin’ny firenena hoy ny lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny fitsaboana ny biby ao amin’ny faritr’i DIANA.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...