Miantoka ny fahatsarana sy fitomboan'ny vokatra ny fampiasana masomboly nohatsaraina, voafantina ary voamarina. Fampiasàna ny masomboly novokarina manokana sy voafantina ary voamarina no tena azo antoka amin'ny fahazoana vokatra tsara sy betsaka. Tena ilaina ny miverina amin'ny masomboly voafantina sy mampiasa ireo masomboly novokarina manokana raha tiana ny hitazona sy hampiakatra ny fahombiazana amin'ny famokarana atao...

Isan'ny nampiroborobo ary nanaparitaka ny masomboly nohatsaraina, voafantina ary voamarina ny Fikambanan'ny tantsaha ho an'ny fampandrosoana Iraisan'ny asa aman-draharaha maromaro (APDIP). Nampihakatra ny tahan'ny vokatra miakatra any amin'ny Faritr'i Bongolava ny famokarana masomboly voafantina nilofosan'ny APDIP nandritra ny taona maro.

Ny masomboly vary sy tsaramaso no nilofosan'izy ireo hatramin'izay fa tamin'ny taona 2023 vao namokatra masomboly katsaka ny fikambanana. Tsy afa-bela amin'ny fiatraikan'ny fiovan'ny toetr'andro ny famokarana atao. Tsy ampy koa ny vokatra noho ny hateren'ny tany amokarana ; ny tinady nefa betsaka. Afaka roa taona, feno 30 taona amin'ny sehatr'asa fampandrosoana ny eny ambanivohitra ny APDIP. Ny taona 1997 no nijoro izany fikambanana lehibe ao Tsiroanomandidy izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...